Isaorana ny Tompo fa tontosa soamantsara ny talata 22 jona 2021 teo ny fanolorana Moto iray, ho an’ny Synodam-paritany Bemaraha, mba hampiasain’ny Presida Synodaly any an-toerana. Izany dia notanterahina nandritra ny fivorian’ny Mpiandraikitra Foibe natao teto amin’ny F.J.K.M. AMBOHITANTELY, izay notarihan’ny Filohan’ny FJKM Atoa Irako Andriamahazosoa Ammi Mpitandrina. Isaorana manokana ireto Fiangonana telo ireto izay nifarimbona tamin’ny ho enti-manana tamin’izany dia ny FJKM AMBOHITANTELY, FJKM SOAMANANDRARINY ary ny FJKM FENOARIVO ATSINANANA . Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra
Toy ny fanaon’ny Fiangonantsika Ambohitantely isan-taona rehefa fetim-pirenena 26 jona toy izao dia mizara fanomezana ho an’ireo lolohan’ny Fiangonana zoma hariva isika. Isaorana ny Tompo fa tontosa androany alakamisy 24 jona izany t@ alalan’ny Fiandraiketana ny Asa Sosialy, ary ny raiamandreny Mpitandrina no nitarika ny fotoam-bavaka. Olona teo amin’ny 100 isa no nisitraka ny fanomezana toy ny vary, savony, pâtes, biscuits, bonbons, ary niampy arendrina sy labozia ho an’ny ankizy madinika. Isaorana antsika mpanohana ny asa sosialy rehetra ary misaotra ny Fiangonana manontolo tarihin’ny raiamandreny Mpitandrina mivady manao ho zava-dehibe ny asa soa .Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.