Ny fidirana tamin’ny taom-bolamena teo amin’ny fandavorariana ny fiainam-piangonana sy ny fijoroana vavolombelona tamin’ny andron-dRavelojaona Mpitandrina.
Taorian’ny tafiotra nolalovan’ny Fiangonana Ambohitantely ny taona 1905 dia nafindra niala tamin’ny FFMA ho amin’ny MPF izy.
Antony maro no nahatonga izany fanapahan-kevitry ny misionera izany. Ny antony voalohany dia tena antony ara-panjakana. Mbola tena tao anatin’ny vanimpotoana fiantombohan’ny fanjanahantany no nitrangan’ity Olana tao Ambohitantely ity, izay nifono hevitra pölitika araka ny voalaza teo aloha. Ny Misiona Protestanta Frantsay no azon’ny fanjanahantany antoka indrindra raha nitaha tamin’ireo misiona anglisy hafa, dia ny LMS sy ny FFMA. Nisy fotoana aza manko, tany amin’ny taona 1896 ka hatramin’ny 1897, dia noheverin’ny fanjanahantany mihitsy fa tao ambadiky ny misionera LMS sasantsasany ny Menalamba, ary io antony io no nahatonga an’i Galliéni nangataka tamin’ny MPF sy tamin’ny fanjakana frantsay mba hamindrana ny saha niasan’ny LMS rehetra amin’ny MPF. Nahatsapa i Galliéni fa vato misakana ho an’ ny fampandrian-tany nataony ny misionera LMS. Betsaka no nihevitra, indrindra ny Protestanta, fa mbola hiverina ny Anglisy haka an’i Madagasikara ka hisy fifandonana eo amin’ny Anglisy sy ny Frantsay. Ny vontoatin’ny fifanarahana teo amin’ ny Anglisy sy ny Frantsay anefa tany Zanzibar, ny volana Aogositra 1890, dia misy andininy iray milaza fa avelan’ny Frantsay hiasa malalaka eto Madagasikara ny Misiona anglisy, ao anatin’izany ny LMS, ny FFMA ary ny SPG. Ity andininy ity dia tsy nahafahan’i Galliéni sy ny Minisitry ny Zanatany André Lebon nandroaka mivantana na nanao ratsy fitondra ny LMS. Izay no nahatonga an’i Galliéni niangavy ny MPF mba hanao fifampiraharahana am-pirahalahiana mba handraisan’izy ireo ny asan’ny LMS. Eny fa na dia hotohanana ara-bola aza izy ireo raha mavesatra aminy ny asan’ny LMS. Nandå mafy izany fanirian’ ny fanjakana frantsay izany ny MPF noho ny antony maro samihafa. Na teo aza anefa izany elanelana nisy teo amin’nyfanjakana kolonialy sy ny MPF teto Madagasikara izany dia azon’izy ireo antoka kokoa ny MPF noho ny Misiona anglisy, noho ny maha Frantsay azy . Maro tamin’ ireo kristiana tetoAmbohitantely rahateo no tsy nankasitraka ny fanjanahantany ka tian’ny fanjakana frantsay harahi-maso. Nafindra ho ao anatin’ ny MPF àry Ambohitantely. Ny antony faharoa dia efa zanaky ny MPF hatrany amin’ny taona 1897 ireo Renifiangonana mpifanolo-bodirindrina tamin’Ambohitantely, dia Avaratr’Andohalo sy Ambavahadimitafo. Koa dia nandamina ny raharaha kokoa raha samy zanaky ny MPF izy ireo. Tsy mora tamin’ny Misiona Frenjy ny namoy an’ Ambohitantely amin’ny maha Renifiangonana Frenjy tokana azy teto Antananarivo. Nanao izay nihazonana an’Ambohitantely ihany izy saingy noho ny tsindry mavesatra andaniny sy ankilany dia nitsodrano ny Fiangonana Ambohitantely ho an’ny MPF izy.
Niteraka fahabangana teo amin’ny asan’ny misiona FFMA na ny Frenjy ity famindrana ny Fiangonana Ambohitantely ity, ka nahatonga azy ireo taty aoriana kely nifanaraka tamin’Antranobiriky izay tsy zanaky ny LMS sy ny MPF, ho Renifiangonan’ny FFMA indray. Tsy ho an’ny Frenjy ihany io fangirifirian’ny fisarahana tsy ara-drariny io fa indrindra ho an’ny vahoakan’Andriamanitra tato Ambohitantely.
Tao anatin’ izany ratra izany no nahatongavan-dRaveIojaona Mpitandrina hitandrina sy hamerina amin’ny laoniny ny fiainam-piangonana sy ny fijoroana vavolombelonm Nahatsapa ny hamafin’ny asa niandry azy tamin’ny fanarenana ny fiainam-piangonana Ravelojaona hatrany am-piandohan’ny fanompoany tato Ambohitantely, satria teo ny ratram-po anatin’ny Fiangonana, nefa teo indrindra koa ny tsy naha teôlôjiana azy raha nitaha tamin-dRasoamanana Franck nodimbiasiny, ary ambonin’izany rehetra izany ny tontolo ara-pölitika teto amin’ny firenena. Zary hery nanosika ity Mpitandrina ity anefa izany fahasarotana hitany dieny tety am-piandohana izany ka nahatonga azy haingana fandroso kokoa noho ny hafa aza teo amin’ny lafiny teôlôjia sy ny fikarohana, indrindra ny fanoratana. Zanaka Mpitandrina Ravelojaona, nilona tao anatin’ny fivavahana kristiana, satria nianatra tamin’ny Sekoly misiona, ary efa nahafantatra, tahaka an-dRasoamanana Franck, ny rivotry ny fandrosoana tandrefana ka mora taminy ny nandanjalanja ny fanabeazana tokony hatolotra ho an’ny tanora sy ny Fiangonana na ny firenena malagasy. Isan’ireo Mpitandrina telo lahy Malagasy tao anatin’ny MPF namiratra indrindra tamin’ny fahendrena sy ny fahalalana Ravelojaona niaraka tamin-dry Rabary sy Razafimahefa. Nanamarika ny fiainan’ity Mpitandrina ity sy ny fanompoany teto Ambohitantely ny fitiavan-tanindramna. Fitiavan-tanindrazana izay’ tsy nisaraka tamin’ny maha Mpitandrina, maha Mpanabe, maha Ray aman-dreny azy. Tao anatin’ny 48 taona nitondrany ny Fiangonana Ambohitantely dia betsaka ny fizahan-toetra nolalovany, toy ny fandaozana tsy satry ny Fiangonana sy i Madagasikara mba handray anjara amin’ny Ady lehibe voalohany. Niparitaka be mantsy ny feo teto Antananarivo fa tsy tia Frantsay Ravelojaona. Ary vokatry ny torohevitr’i Jean Bianquis, misioneran’ny MPF teto, izay sakaizany akaiky, dia nankany Frantsa izy, tSY nandray anjara tamin’ny Ady lehibe voalohany ihany, fa nandalim-pahalalàna koa. Tao anatin’izany no nanaovany asa maro hatramin’ny asan’ny Mpitsabo mpanampy. Raha anaovana topimaso ny mombamomba an-dRavelojaona sy ny fanompoany teto Ambohitantely dia toy izao :
Ny loharano nipoirany sy ny fianarana narahiny
Ny 14 Febroary 1879, teto Antananarivo no nahaterahan’Atoa RAVELOJAONA. Ny rainy, Itompokolahy Ratsimba, izay mpianatra tao amin’ny Kolejy L.M.S tamin’izay fotoana izay, dia lehilahy tena kristiana, enin-kaja teo amin’ny foko sy firenena. Ny reniny, Itompokovavy Razafindravao, dia vehivavy tsotra, mihetsi-po fatratra. Lahiaivo tamin’ny zanany 14 mianadahy izy. Tamin’ny volana aogositra 1879 dia navoaka ary naterina ho evanjelisitra tany Antoby (Anjozorobe) ny rainy. Dia tao amin’izany tanàna izany indrindra no nitomboany sy nandaniany ny androm-pahazazany (1879 — 1892). Ao Ambatofotsy (Avaradrano) no vohitry ny razany ka matetika dia famangian-kavana ihany no nataony tany.
Teo amin’ny faha enin-taonany teo ho eo dia niditra nianatra tany Antoby izy. Tsaroany sady nambaran’ny olona azy taty aoriana, fa nazoto nianatra sady nanana saina liandiana tokoa izy; ary ny naha zanaky ny evanjelisitra ny tenany dia nandrisika azy ery, nampihevi-tena azy ho tokony ho lasa ambony noho ny zanaky ny olona teratany.
Nifindra tao Ambohijatovo Atsimo izay toerana tena namolavola azy maharitra hatramin’ny kilasy voalohany- izy tamin’ny taona 1892.
Nanohy ny fianarany tao amin’ny L.M.S Kolejy tao Faravohitra sy tao amin’ny Sekolara izy ny volana janoary 1896. Nanovozany zava-tsoa betsaka tao amin’ny Sekolara izay tena Sekoly ambony tamin’izay, nampianarana sampam-pahalalana maro samy hafa, ka ny mpampianatra isan-tokony avy dia ny manam-pahaizana manokana momba izany ihany.
Nifindra ato amin’ny Ecole Le Myre de Vilers tao Manjakamiadana izy tamin’ny fiandohan’ny taona 1897, fotoana nifaneraserany akaiky tamin’ ny misionera protestanta frantsay.
Ny taona 1899 no nahazoany ny filazam-pahaizana “Certificat d’Aptitude à I’Enseignement Primaire” izay naha voalohany azy.
Tsy niomana manokana ho amin’ny raharaha-mpitandrina RAVELOJAONA. Ny fahatsiarovany ny tsy maintsy ananan’ny mpitondra ny ondrin’Andriamanitra fahendrena sy fahalalana betsaka dia nanesika azy fatratra hanitatra hatrany ny faripahaizany, amin’ny alalan’ny fividianana sy famakiana boky momba ny teölöjia sy ny Soratra Masina, ny tantaram-piangonana sy ny momba ny fitorian-teny.
Ny asa aman ‘andraikitra niantsorohany
Nanomboka ny volana janoary 1898 ka naharitra hatramin’ny taona 1904 dia nampianatra tao amin’ny Sekolin-jazalahy Ambatobevanja izay nantsoina hoe ” Ecole du Palais” RAVELOJAONA.
Niato kely izany tamin’ny naha voafidy azy mba handray anjara amin’ny fikarakarana manokana ny tanora ka niandraiketany ny toeran’ny Sekreteran’ny Fikambanana fanolokoloana ny zatovolahy Kristiana, niadidy ilay trano nandraisana ny zatovolahy teo Ambohijatovo Avaratra ny taona 1903.
Nalefa tany Frantsa Marseille izy ny desambra 1904 ka hatramin’ny avrily 1906, hijery ny fizotry ny asa fitaizana tanora any ifotony, hianatra sy hiza-draharaha ary indrindra hanangom-bola hanorenana ny asa aty Madagasikara.
Nandritra ny diany tany Frantsa dia niezahany ny hanatevina ny fahaizany tamin’ ny famonjena ireo lahateny fampianarana samihafa misahana ny sampam-pahalalahana isan-tokony ary nilatsaka ho mpihaino (auditeur libre) ny fampianaran’ ireo ngezalahy tamin’izany fotoana izany izy ka nazoto er) nanaraka lesona nomen’ireny profesora ngeza ireny tao La Sorbone, tao amin’ny College de France, sns.
Niezaka nanita-tsaina tamin’ny fitetezana firenena maro toa an’i Hollande, Angleterre, Norvege, Belgique izy. Lahateny maro no nataony hatrany ary saiky nahavory olona mandrakariva ny fotoana nomanina hitenenany.
Ny taona 1907 sy 1908 no nanohizan-dRAVELOJAONA ny raharahan’ny fampianarana tao amin’ny Sekolin-jazavavy Ambavahadimitafo sy nampianarany fotoana fohy koa tao amin’ny Sekolin-jazalahy ao Ambatonakanga (L.M.S).
Ny 4 octobre 1908 dia voafidy sy lanin’ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo ho mpitandrina tao Ambohitantely RAVELOJAONA; nekeny tamim-pitiavana izany satria antson’Andriamanitra na dia tsy nosaininy velively aza ny hanao ny raharahampitandremana.
Ny 14 Novembre 1908, tao amin’ny fiangonana Avaratr’Andohalo ambony, no nanaovana ny fanokanana azy ho mpitandrina. Fotoan-dehibe tokoa ho azy sy ho an ‘ny Fiangonana Ambohitantely ary ho an’ny Fiangonanana protestantra manontolo izany.
Hoy izy namarana ny lahateny nataony:
« Manatona ny Fiangonana Ambohitantely aho ; tsy naniry izao raharaha izao aho na manantena voninahitra avy aminy; hiasa ho an ‘ny Tompoko, izany no ahatongavako, tsy amin-kery nafahefana, fa amin ‘nyfahalemena, fa raha misy heriko, dia ny hazofijalian ‘i Jesosy irery »
Nanomboka ny 11 Mai 1914 dia nampianatra ny taranja Malagasy tao amin’ny Sekoly ambony protestantra ECOLE PAUL MINAULT tao Ambondrona izy. Ary hatramin’ny faramparan’ny taona 1915 dia ny fitandremena sy ny fampianarana no tena nizara ny androny.
Ny taona 1916 ka hatramin’ny taona 1920 dia nanolo-tena ho miaramila niady nandritra ny Ady lehibe voalohany tany Frantsa i RAVELOJAONA Mpitandrina. Ivelan’ny raharaha miaramila dia nikarakara ny ara-panahy izy, ka ny raharahan’ny solo-mpitandrina natokana ho an’ ny miaramila malagasy tao amin’ny Fiangonana Protestanta tao Marseille, ary mpandika teny tao amin’ny “Fitsarana Miaramila” (XVéme regiön) no nosahaniny.
Ny 01 Oktobra 1920 ka hatramin’ny jona 1939 no niverina nandray ny raharaham-pitandremana tao amin’ny Fiangonana Ambohitantely ny Mpitandrina RAVELOJAONA, rehefa tafaverina soa aman-tsara teto an-tanindrazana izy.
Teo amin’ny sahan’ ny fampianarana, dia ny Ecole Paul Minault, no tena nandraisany anjara ora betsaka mandritra ny herinandro. Tamin’ny taona 1929 no nanondrotana ny fari-pahaizany teo amin’izany sekoly izany ka ny fanalana ny fanadinana hahazoana ny mari-pahaizana baccalauréat de l’enseignement secondaire no namaranany ny ambaratonga faharoa. Ny mpitandrina RAVELOJAONA no mpitondra ny teny sy fanirian’ny ray aman-dreny sy zatovo ny amin’izany hisondrontan’ny fari-pahaizana izany tao amin’ny Sekoly ka nampahafantatra izany ny mpitondra ny Sekoly, ny misionera sy ny komity iraisa-misiona.
Mbola nisy ora isan-kerinandro nangatahan’ny Sekoly ambony teny Ilafy azy koa, ary Ambatobevanja dia niantso azy momba ny fampianarana fivavahana.
Tamin’ny taona 1924, dia nisy fanohizana sy fitarana ny asa natao ho an’ny tanora, dia ilay Fikambanana Kristian’ny Tovolahy izay nanohanany tamin’ny hevitra sy tamin’ny asa an’i M. Jean Beigbeder izay mpitarika voalohany ny Foyer, tamin’ny fanorenana azy sy ny fananganana ilay trano lehibe voalohany tao Amparibe.
Tamin’ny taona 1937, dia mpitari-draharahan’ny Isanenimbolana ny Mpitandrina RAVELOJAONA, ary azo lazaina ho isan’ny fototra nahatanteraka sy nahalavorary ny fankalazana ny faha 100 taonan’ny namonoana an-dRasalama maritiora izy, ny 14 Août 1937 sy ny faha 100 taonan-dRafaralahy Andriamazoto, ny taona 1938, izay nokarakaraina tamin’ izany vanim-potoana izany izy.
Ny taona 1939, dia voafidy ho solontenan’ny vahoaka malagasy tao amin’ny “Conseil supérieur des Colonies” ny Mpitandrina RAVELOJAONA, ka nanainga ho any Paris nandritra ny herintaona sy tapany (10 Juin 1939 – 28 Janvier 1941).
Ny Janvier 1941 no nandray indray ny fitandremana ny FiangonanaAmbohitantely ny Mpitandrina RAVELOJAONA, rehefa tafaverina soa aman-tsara teto antanindrazana, nefa mbola niantsoroka koa ny raharaha maha solontenam-bahoaka azy tao amin’ny Conseil supérieur des Colonies. Naharitra 48 taona (1908-1956) no nitandremany tao amin’ny Fiangonana Ambohitantely
Ravelojaona sy ny Fiangonana Ambohitantely
Tsy azo hadinoina na azo sarahina ny fitiavany ny Fiangonana sy ny fitiavantanindrazana izay niredareda tao aminy, ary noho ny vanim-potoana niainan’ny firenena tamin’izany dia nino izy fa ny fampandrosoana ny fanjakan’Andriamanitra eto amin’ity firenena malalany ity dia efa fampandrosoana ihany koa ny firenena sy ny vahoaka monina ao aminy. Hoy izy:
“Ny fitiavako ny fireneko mazàna dia mampitomany ahy, toy ny nanjo ny Tompo, ary nanolorako hatramin’ny aiko aza, toa an ‘i Paoly naniry ny ho voaozona hahavonjeny ny rahalahiny, havany araka ny nofo
Ambohitantely :
Ny taona 1903 ka hatramin’ny taona 1907, dia nandalo fotoan-tsarotra ny Fiangonana Ambohitantely, satria vokatry ny savorovoro nateraky ny tsy fitoviampijery, dia vaky roa mihitsy ny Fiangonana ; voatery niangona tao Ambohijatovo ny Mpitandrina sy ny maro an’isa nanohana azy, rehefa nibodo ny fiangonana ireto ankilany.
Niakatra tribonaly mihitsy ny raharaha ary ny Fanjakana frantsay rahateo izay tsy nankasitraka velively an’i Pateur Rasoamanana, noho izy tena tia tanindrazana, dia toa namporisika hatrany ny fikorontanana.
Tamin’ny 1904 àry, dia noheverina fa mety ny hanomezana ny fitandremana an’Ambohitantely ho an’ ny MPF (Mission Protestante Francaise) hisolo ny FFMA izay Anglisy avokoa ny Misionera ao aminy.
Dia tonga ho azy avy eo ny fampiatoana an i Franck Rasoamanana ny taona 1905.
Ny 19 Aprily 1907 vao nofaranan’ny tribonaly ny tabataba ka nanomezany rariny ireo maro an’isa.
Nifidy indray izay ho Mpitandrina azy ny Fiangonana ary dia mbola niantefa tamin’i Franck Rasoamanana ihany indray ny safidiny, saingy tsy nanaiky ny hiverina intsony izy ary nisaotra ny fiangonana noho ny fitiavana nasehony.
Nanatanteraka fivoriana indray ny Fiangonana m ba hahazoana nanendry olona hafa hitondra azy. Tamin’ ny 04 Octobre 1908 dia vory tao Ambohitantely ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo mba hanao ny fifidianana. Monsieur le Pasteur Koest no président… Natao ny latsa-bato rehefa nisy anaran’olona vitsivitsy naseho sy nifanarahan’ny be sy ny maro hatao amin ‘ ny latsa-bato. Vokatr’ izany: lany ho Mpitandrina RAVELOJAONA, mpampianatra ao amin’ny Sekolin-jazavavy Ambavahadimitafo, ary mihoatra ny androatokon’ny olona vory no nifidy azy…
Dia nanatona azy ireo iraky ny Fiangonana notarihin’i Monsieur le Professeur Chazel naneho taminy ny fanirian’ny Fiangonana:
“Misaotra ny Fiangonana indrindra aho noho ny fitiavany ahy ka netezany hifidy ahy tamin ‘izao fifidianana natao izao. Nefa milaza aminareo aho Tompoko, fa tsy mba raharaha noheveriko velively ny ho mpitandrina, fa raharaha hafa no efa noheveriko, nefa na dia izany aza, atao fa raha ity raharaha ity no iantsoan ‘Andriamanitra ahy, na dia tsy mifanitsy amin ‘izay nokasaiko aza ka raha laviko dia fandavana ny fiantsoana ahy izany. Noho izany dia manaiky ny fiantsoan’Andriamanitra no tokony hataoko. Koa dia ilazao ny Fiangonana Ambohitantely fa dia manaiky amin’ny fifaliana aho”.
Fanokanana an-dRAVELOJAONA ho Mpitandrina teto Ambohitantely:
Ny marainan’ ny Asabotsy 14 Novambre 1902 dia vory tao amin ‘ nyTrano Fiangonan’Avaratr’Andohalo ambony (noho ny fahakelezan’ny trano ao Ambohitantely) ny Fiangonanana Ambohitantely sy ireo Olona maro avy amin’ny Fiangonana protestantaAntananarivo. Samy tonga tao koa ny Misiona 5 protestanta nampiseho firaisam-pivavahana sy fifanarahana tsara. Ary isan’ny fotoana izay nanehoan’ny protestanta ny fikambanany io ary samy nanantena ny rehetra fa santatry ny betsaka mbola ho avyizany.
Nanokatra ny fotoana ka nandray fitenenana Atoa Chazel, prezidà nitarika nyraharaha. Tao anaty Iahateniny dia nilaza ny hafaliany izy fa vita teo ny savorovoro sy ny zava-manjo an’Ambohitantely, sady nahazo Mpitandrina vaovao izy ankehitriny ka dia antenaina fa handeha amin’ny fandrosoana ny Fiangonana Ambohitantely manomboka izao, ary ny fifaliany dia tena fifaliana lehibe ara-panahy araka an’Andriamanitra.
Taorian’izany dia nandahateny koa Atoa J. SIMS, ary nilazany fa miara-paly amih’ny Fiangonana Ambohitantely ny Kristiana maro eran’Antananarivo; ary ity andro anio ity, hoy izy, dia tokony ho andro fanadinoana ny lasa, ka atao «ririnin-dasa tsy tsaroana intsony» izay niseho tao taona roa sy telo izay. Fa izay tokony hatao kosa izao dia ny hitsangana hiasa, ary hihamazava ho voninahitr’Andriamanitra.
Nanaraka azy dia Ingahy Andriamifidy indray no nandahateny; ka teny fananarana ho an-dRAVELOJAONA no vontoatiny, nefa dia samy nahazo anatra tamin’izany tokoa ny mpitondra Fiangonana rehetra.
Raha efa izany dia Atoa Andriamanana, Mpitandrina kosa no nanao fananarana ho an’ny Fiangonana Ambohitantely, ary nolazainy ny maha raharaha sarotra sy be adidy ny asan’ny Mpitandrina ka noho izany dia tokony mihitsy raha mba manana ny anjarany ihany koa ny Fiangonana.
Atoa Razafimahefa, mpampianatra tao Ambohijatovo no nandahateny taorian’izany ; nilaza ny hafaliany koa izy, ary ny teniny koa dia niantefa amin’ireo loham-pianakaviana rehetra sy ireo zatovo vory teo.
Rehefaavy natao ny hira «Mananjara ry Jesosy, ny mpanomponao ets…» dia nitarika ny fivavahana Rév S. Sharman, sy ireo misionera ray aman-dreny (MPF, LMS ,NMS), ary ny mpitandrina teto an-tanåna dia niara-nametra-tanana tamin-dRAVELOJAONA tamin’izany, mba ho mariky ny fanokanana azy.
Atoa Rakotovao Mpitandrina, izay nisolo vava ny Fiangonana Analakely, dia somary nilaza ny alahelony fa lasa Atoa RAVELOJAONA, mpitoriteny sy mpiaramiasa taminy amin’ny Sekoly Alahady sy ny Fikambanana Kristiana tanora, nefa faly kosa fa lasa namoa sy nandeha mba hiasa hahasoa ny namany…
Mba nampiseho ny hafaliany tamin’ izay koa avy eo Atoa RATANY, mpampianatra ray aman-dreny amin’ny Misiona protestanta frantsay, ka nandahateny sy nisolovava azy rehetra sady nanolotra boky hiasan’Atoa RAVELOJAONA.
Ingahy Razanamavo kosa dia nisolo vava ny fiangonana Ambohitantely ka nilaza ny hafaliany, ary nanome toky tokoa fa na dia vitsy sy efa nandalo tabataba aza ny tao, dia hikambana sy hiray hina tsara amin’ny ho avy ka hiara-miasa amindRAVELOJAONA, ary hampandroso ny firaisana sy ny fifankatiavana; dia nanolotra ny Baiboly sy ny fihirana, izay toy ny angady enti-miasa izy.
Atoa RAZANABELO no nisolo vava ny mpampianatra sy ny mpianatra ao amin ‘ny Sekolin-jazavavy ao Ambavahadimitafo, izay toerana iasan-dRAVELOJAONA, nanolotra boky 6 samihafa momba ny Baiboly sy ny fahagagana nataon’i Jesoa, ka enga anie, hatramin’izao hoy izy, dia ho tonga figagana ho voninahitr’Andriamanitra ny Fiangonana Ambohitantely.
Talohan’ ny hira farany, dia nitsangana Atoa RAVELOJAONA, nanao ny lahateniny ka tamin-kafanam-po no nilazany ny fitondran’Andriamanitra azy hatramin’ny fony fahazaza, ireo ray aman-dreniny kristianina, ny sekoly kristianina nianarana sy ny mpampianatra kristianina dia samy nitarika azy ho amin’ny toetra kristiana sady nanomana azy tokoa, ka nahabe ny fitiavany sy ny fankasitrahany an’ Andriamanitra. Hatramin’io andro voalaza io dia nifaningotraina ny Mpitandrina RAVELOJAONA sy ny Fiangonana Ambohitantely.
Tsapany tokoa ny havesatra sy hambonian’ny asa vao nampiandraiketin’ ny Tompo azy ary hoy ny sorany tamin’ny 1er janvier 1909:
“Feno fisaorana! Heniky ny fankasitrahana! Be loatra ny soa voaray! Azo antoka ny famelan-keloka avy amin ‘i Jesosy! Hosana! Ny Tompo anie hanohy ny fitondrany soa! Hitarika amin’ny lalan-tsarotra anie IZY! Ho hita hatrany anie ny tavany! Ary ny fanahiny no hibaiko mandrakizay.
Ny asa miandry dia mbola ilàna fiezahana betsaka, satria toy izao ny toetoetry ny mpiangona araka ny isa voapetraka momba ny taona 1909:
Isan’ny protestanta: 350; Isan’ny mpiangona: 200 ; Isan’ny mpandray rehetra: 150 ; Tontalin’ny rakitra: 745 Frs
Ny fitsidihana ny olona isan-tokantrano, ny famporisihana, ny famangiana ny marary, sns … dia nampiasana herim-batana betsaka. Ny fivoriana nataony tao an-tranony koa niantsoana ny loholona, na ny diakona, na ny mpampianatra Sekoly Alahady; nisy ara-potoana ho fidinidinihana sy fifankaherezana ary fanomanana momba ny asan’ny Tompo avokoa izany.
Noho izy tsy niomana manokana ho amin’ny raharahan’ny mpitandrina dia nanesika azy fatratra ny hanitatra ny fari-pahaizany amin’ny alalan’ny fividianam-boky izay nilam-bola ka toy izao no voalaza: “Nanomboka ny taona 1909 dia nangatahin ‘ny Fiangonana maro hitoriteny tamin ‘ny fotoan-dehibe izy (Lohavolana, fanaterambokatra, jobily ets.. .), ka nisy vola valin-kasasarana nomen’ny fiangonana tamin ‘izany. Nifanarahan’izy sy Ramatoa vadiny fa ireny vola ireny dia tsy mba hotahirizina na hampiasaina amin-javatra hafa, fa hatokana hividianam-boky “. Nifofotra mafy mihitsy izy namaky boky momba ny teölöjia sy ny Soratra Masina, ny tantaram-piangonana sy ny momba ny fitorian-teny ary nananany be ireny boky isan-karazany ireny.
Ny Fe-potoana 1913-1915
Tsaroany mazava ny habetsahan’ny adidy tsy maintsy hotanterahiny, mitombo andalana hatrany, nefa ny vita tsy inona akory. Toy izao ny soratra tao amin’ny fitadidiany tamin’ ny fitsingerenan’ny faha 35 taonany 14 Février 1914:
“Faha 35 taona. Ity hakelin ‘ny Vita! Ity haben ‘ny mbola hatao! Omeo hery ry Tompo ö! Fenoy! Ahitsio! Folahy! Tariho! “
Toy izao kosa ny lahateny nataon’Andriamatoa Andrianony 08/09/56;
“Ny Fiangonana novantaniny dia Fiangonana malazolazo vao avy rotiky ny fisarahan-tsaina mahatsiravina. Dimy taona taty aoriana (taona 1913) dia 500 latsaka ny isan’ny mpiangona tontolo ary izany aza efa nitombo,fa nisy tafaverina ireo nihahaka…
Ary izany no tsaroany tamin ‘ny taratasy iray naeliny tamin ‘ny Fiangonana hoe: “ity Fiangonantsika ity dia efa sendra izay toe-javatra hahafongotra azy — raha araka ny hevitr’olombelona- kanefa indro fa mihamaka toerana sy mijoro”.
Ny taona 1913 dia maro ireo Fiangonana teto an-drenivohitra no nihetsiketsika ary nisy fiantraikany teto Ambohitantely koa izany.
Voalohany tamin’izany ny fangatahan’ny Fiangonana tao Isotry, izay notarihin’ Andrianaivoravelona zanany, ny amin’ny mba hananan’izy ireo ny fotoanan-dohavolany azy manokana.
Ny Mpitandrina isany Rabary sy Ravelojaona anefa dia nitazona mafy ny hevitra fa tokony hohajaina hatramin’ny farany ny rafitry ny Lohavolana nolovaina tamin’ny razantsika, izany hoe ny Fiangonana 9 teto an-tampon-tanàna no Mpiray Lohavolana ka tsy azo ekena ny fangatahan’ny Fiangonana ao Isotry an’izany.
Rehefa avy tao anaty fifanoherana sy fifanakalozan-kevitra mafy, dia niravona ihany, tamin’ny taona 1915 ary tapaky ny rehetra fa ny andro Alatsinainy (fa tsy ny Alahady hariva tahaka ny an’ireo Fiangonana sivy) no hanana ny Lohavolany ny Fiangonan’lsotry sy Antranobiriky.
10 taona 1913 io koa dia tsapa fa dodona mafy ny Fiangonana Protestanta malagasy amin’ny mba hananany ny fahaleovantenany ka tsy hiankin-doha intsony amin’ireo misiona marobe LMS, FFMA, MPF, Loterana samihafa, anglikana sns. . ., ireo izay nitondra fisaratsarahan-kevitra noho ny fomba amam-panao samy manana ny azy amin’ny fivavahana.
Mbola ny taona 1913 ihany, ny volana jolay no tonga teto Madagasikara ireo misiona iraky ny foibeny any Ampita avy. Tafajoro soa aman-tsara ny Comité intermissionnaire izay niraisan’ny Misiona protestanta rehetra teto Madagasikara, rehefa nody izy ireo, ny volana Octobre 1913. 10 no nisantatra ny ho Fiombonan’ny Fiangonana Protestanta taty aoriana.
Tamin’ireo fotoana maro nifanakalozan-kevitra momba izany fampiraisana ny Fiangonana izany no nilazan-dRabary Mpitandrina sy ny namany fa ” Raha tian-ko velona tsara eto amin’ny fivavahana kristiana, aoka hapetraka any an-dafy nyfo vazaha tao anatiny sy ny palitao vazaha teny an-kodiny. Fo malagasy no tokony hitempotempo ao an-tratrany ary lamba malagasy no mendrika hampitafiana azy etc ivelany… “
Niparitaka haingana ary hatraiza hatraiza, araka izany, ny momba ny fahaleovantenan’ny Fiangonana protestanta, ary RAVELOJAONA Mpitandrina dia isan’ ireo nandahateny fatratra momba izany.
Isan’ny niampangana azy izany taty aoriana fa hoe ny firesahana ny fahaleovanten’ny Fiangonana dia tsy maintsy mitarika ny maro hieritreritra koa ny amin’ny fahaleovantenan’ny Firenena.
RAVELOJAONA dia nitarika sy nandrindra ny Isanenimbolan’lmerina nandritrany taona maro ary nohamafisiny hatrany fa ny Firaisan’ ny Fiangonana ho tokana etoMadagasikara no vahaolana amin’ny fampielezana ny Filazantsara. Tsy nisalasala izy nilaza ny hoe: « Ianareo Misionera no mampisaraka anay; tsy fantatray kristianinamalagasy ireo mpanitsy fivavahana toa an-dry Luther sy Calvin fa ny Baiboly no fantatray. Noho izany tsy tokony ho olana ho anay nyfiraisam-piangonana »
Ho an’ Ambohitantely manokana dia zava-panao ny fandraisana ny fivoriam- piangonana toy ny isanenimbolana, ny isankerintaona. Tamin’izany dia noheverina, araka ny torohevitry ny misionera MPF fa tsara aloha raha mihataka kely, ary hiala teto Madagasikara ny Mpitandrina. Koa nipetraka tany Frantsa izy nandritra ny efa-taona eo ho eo (1916-1920), ary nanao ny raharaha miaramila tany.
Fe-potoana 1915-1920
Raminosoa Jules no niandraikitra ny raharaha tamin’ny fotoana tsy naha teto azy. Famerimberin-dRAVELOJAONA teto Ambohitantely ny maha zava-dehibe ny fifankatiavana eo amin’ ny Fiangonana. Tsotra ny fomba fiasany: hamafisina ny fiainampianakaviana sy ny fifandraisana, sorohina dieny mialoha ny disadisa mety mikiky ny
fifandraisan’ny fianakaviana. Ny fifankatiavan’ny Fiangonana mantsy dia miainga amin’io firaisan’ny fianakaviana io. Nifamatotra ara-nofo sy ara-panahy tamin’ny fiangonana izy mivady. TSY sarotra taminy ny nikolokolo ny fifankatiavana, hany ka na dia tototry ny asa sy nanana fironana pölitika nijoroany aza izy, dia tsy nanelingelina velively ny firaisankinan’ny Fiangonana izany.
Tamin’ny 01 Octobre 1920, fotoana nandraisan’ny Mpitandrina RAVELOJAONA indray ny fitandremana ny Fiangonana, rehefa tafaverina soa aman-tsara teto antanidrazana izy, avy nanao ny raharaha miaramila tany Frantsa, dia raharaha sarotra nilana fizotoana sy faharetana fatratra no niandry azy, fa toy ny vao natomboka indray. Ny taona 1921-1932 no nanaovan’ny Mpitandrina ny asa fanarenana ny lesoka rehetra tamin’ny fotoan-dasa. Niezaka fatratra izy nampandroso ny Fiangonana. HO fampaherezana ny mpiangona, dia nikely aina izy nanao fitsidihana maro karazana: ny marary na any an-tokantrano na eny amin’ ny trano fitsaboana, ny mila fampaherezana, ny manam-pifaliana; nanatitra na nitsena olona eny amin’ ny gara amin’ ny fotoana maha mety izany. Niezaka nampandroso ny sampana rehetra izay samy manana ny komitiny izy; nanome lahateny fampianarana amin’ ny fivorian’ny sampana isan-karazany, ohatra, ny Dorkasy isaky ny Talata tolakandro, ny tanora zandriny, ny Alakamisy tolakandro, ny tanora zazalahy zandriny ny Talata amin’ny 6 ora hariva. Namporisika ny tanora ho tia vakiteny izy, ary namoronany karazana “club” sy nanorenany “bibliothèque” izy ireo.
Nihetsiketsika sy niroborobo tokoa ny Tanora vokatr’izany, ary tsiahivina manokana eto ny fampisehoana ilay tantara nosoratan’i Moliére mitondra ny lohateny hoe: TARTUFFE izay nadika ho teny malagasy ; ny tantara “ABRAHAMA sy LOTA” noforonin’ny tanora vitsivitsy tao amin’ny Tanora zazalahy ary nolalaoviny. Tao koa ilay fampisehoana taozavatra nampitondraina ny lohateny hoe: “Exposition d’Art et de Petites Industries malgaches” izay natao tao Ambohijatovo avaratra tamin’ny volana Desambra 1930, ary nokarakarain’ny Tanora zazalahy.
Ny Kristiana tanora amin’izany dia notsinjaraina toy izao: ny Kristiana tanora zazavavy sy ny Kristiana tanora zazalahy izay mbola nizara roa ho ny Tanora zazalahy zokiny sy ny Tanora zazalahy zandriny. Noheverina angam ba fa nilaina izany fitsinjarana izany noho ny toe-batana sy ny toe-tsaina tsy mitovy eo amin’ny vavy sy ny lahy ary koa eo amin’ny zokiny sy ny zandriny.
Tsy azo hadinoina ny fankalazana ny Krismasy hariva izay nafana tokoa nokarakarain’ny ankizy ao amin’ny sekoly alahady.
Tsy teo amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-tsaina ihany fa namporisihiny koa ny teo amin’ny lafiny ara-batana ireto tanora ireto. Notoroany hevitra ombieny ombieny tokoa mantsy ireto tanora ny amin’ny tokony hanaovan’izy ireo fanatanjahantena ara-dalåna mba hivelaran’ny toe-batana, hahatonga ny tsirairay ho tomady sy salama satria ao anatin’ny vatana tomady sy ho salama, no misy ny saina mahiratra sy matsilo.
Ny Loholona sy ny diakona koa dia tsy diso anjara tamin’ny fampianaran’ny Mpitandrina ary samy manana ny fivoriany tsy tapaka.
Ny fomba fiheverana sy fanatanterahana ny raharaham-piangonana dia toy izay efa nahazatra tamin’ny nitondran’ny MPF ny Fiangonana.
Fifidianana samihafa no nanendrena ny Loholona sy ny Diakona. Ny Loholona, izay lehilahy daholo, no mpihevi-draharaha sy mpanapa-kevitra. Ny Diakona kosa, izay nisy lehilahy sy vehivavy, no niandraikitra ny fanatanterahana ny asa rehetra: ny ao an-tokantrano toy ny fanantazan-drakitra, ny fampandraisana ny Fanasan ‘ ny Tompo, ary ny any ivelany toy ny famangiana ny marary, ny mana-manjo, sns…Karazana mpandrindra koa anefa ny Diakona, satria mandalo eo aminy aloha ny raharaha vao dinihin’ny LOHOLONA
Marihina fa ny Diakona vavy dia sady tsy nananty rakitra no tsy nampandray. Mbola maro no nihevitra manko fa ny vehivavy, araka ny fampianarana nolovaina tamin’ny misionera sasany, dia voafetra ny anjara andraikiny ao am-piangonana, na dia teo aza ny fiezahan’ny Mpitandrina hampivoatra ny toe-tsain’ny be sy ny maro momba ny toerana tokony hisy ny vehivavy eo amin’ny fiarahamonina sy ny Fiangonana.
Araka izany, dia nampitoviana tamin’ny taona 1912 ny haavon’ny dåbilion’ny lehilahy sy ny vehivavy teto am-piangonana.
Tamin’ny 1930, dia nanao lahateny fanazavana lava momba ny «Ezaky ny vehivavy eran-tany ho amin’ny fampandrosoana» ny Mpitandrina mba hampody ny vehivavy malagasy eo amin’ny “toerana mihaja nametrahan’i Kristy azy”
Nampianatra ny mpiangona mba hahay hanetry tena ka tsy hanivaiva na hanao kely tsy mba mamindro koa izy; TSY tiany mantsy ny fitiavan-kanetry ny hafa noho ny fiheveran-tena ho ambony kokoa. Taminy dia ny «Fanahy no olona». Ny fanahy hoy izy no maha izy ny isam-batana.
Nitaiza ny Fiangonana koa izy ho tia «FITIAVANA» sy «FAHAMARINANA» izay vy miaina manainga azy rahateo tamin’ny fanatontonsany ny asany rehetra tety an-tany.
Nifofotra mafy izy, ny amin’ izay hifankahalalana sy hifampikasohana bebe kokoa amin’ny fanaovana Fitsangantsaganan’ny Fiangonana manontolo na isan-tsampana, indray mandeha isan-taona.
Hoy Atoa Andrianony momba izany:
“Izany fifankatiavana sy firaisan-kina izany no anankiray amin ‘ny zavabaventy nokolokoloiny teto ; Mba hahatanteraka izany, dia nantsoina matetika hiara-misotro dite tany an-tranony, na ny Sekoly Alahady, na ny Loholona sy Diakona, na ny Mpandray.
Ny hahatomombana izany no nitarihany ny sampana samy hafa, ny fiangonana manontolo aza mba hivoaka any ivelany ary hiara-mikorana sy hiara-misakafo isan-taona. Hoy izy mahatsiaro ireny andro fitsangantsanganana ireny amin ‘ny taratasy iray nosoratany:
«-Ilay fitsangantsanganana isan-taona… tahaka ny andro fanosoran-tsolika sy fanadiovana ny milina izy iny, ka fatratra ery ny asany, ary mahavita taona, hoy ny sasany, ny firavoravoana avy aminy. »
Soritana koa fa tamin’ ireo fampianarana isan-karazany, eny fa na tamin’ny fotoampivavahana isaky ny Alahady aza, amin’ny fotoana mahamety izany, dia tsy nitsahatra nitarika sy namolavola ny sain’ny mpiangona hanaja ny maha malagasy azy sy ho tia ny tanindrazany ny Mpitandrina.
Raha nofoanana tany an-tsekoly ny fampianarana tantaram-pirenena malagasy, dia tao Ambohitantely no nikolokoloan’ny Mpitandrina an’izany, ka ny alahady faharoa isan-taona (natao hoe Alahadin’ny zana-piangonana) dia natao ho zava-dehibe ny fitodihana sy fahatsiarovana ny lasa.
Nomena toerana manokana tamin’ireny fotoana ireny ny fahatsiarovana ny Mpitandrina ray aman-dreny nitondra ny Fiangonana, nitaiza ara-panahy ary koa amin’ny fitiavan-tanindrazana:
– Tsy Andrianony tokoa moa ve no niloa-bava fa tsy hahatanty ny hahita an’i Madagasikara ho very fiandrianana, koa dia nantsoin’ ny Tompo izy tamin’ ny volana Août 1895, taloha kelin’ny nilavoan’ny firenena lefona teo anoloan’ny Frantsay.
– Ary tsy i Franck Rasoamanana, ilay mpanolotsainan-dRanavalona III nalefa sesitany talohan’ny nahavoafidy azy ho Mpitandrina teto Ambohitantely, tsy izy va ilay nenjehin’ny Jeneraly Gallieni fatratra ka nampiasany izao fomba rehetra izao, eny fa na dia ny fanakorontanana ny Fiangonana aza, mba hialany tamin’ny fitondram-piangonana lehibe teto Antananarivo.
Mba hahafantaran’ny taranaka faramandimby ny fisian’ny firenena nahaleotena talohan’ny 1895, dia notononina miavaka koa teo anivon’ireo maro nodimandry tamin’ny fotoam-pivavahana natao ny Alahadin’ny zana-piangonana, ny anaran’ireo olo-manan-kaja sy toerana ary andraikitra manokana tao amin’ny fanjakana malagasy izay niangona tao Ambohitantely.
- Rabobalahy 14 voninahitra zanaky Radama sy Rasalimo.
- Ralaitsirofo, lehiben’ny andriambaventy, mpitsara.
- Rainimahajere 16 voninahitra (rain’lngahy Andriamifidy, lehiben’ny volampanjakana)
- Rainitompoera, lehibe tamin’ny miaramila.
- Rampanjaka sy Raboana, zanak’anabavin-dRainilaiarivony.
- Rasoanalina, vadin-dRainilaiarivony, Praiministra.
Ary maro na dia tsy mpiangona eto Ambohitantely aza no niakatra taty an-tampon-kavoana aty, hihaino izany fanakon’ny lasa izay efa navalon’ny tantara izany.
Tamin’ny fe-potoana 1921-1939 koa anefa dia nampisaotra an’Andriamnaitra lehibe tokoa fa tsy ny asa fanarenana ihany no nimasoan’ny Fiangonana fa niezaka koa izy namorona sy nanantanteraka asa vaovao.
Tao anatin’izany vanim-potoana izany tokoa mantsy no nanaovana ilay fanamboarana miezinezina ny atitrano Fiangonana, nananganana ny rihana manodidina sy nanaovana ny polipitra, izay notokanana tamin’ny fomba manetriketrika ny taona 1932. Fatratra loatra io asa iray vitan’ny Fiangonana io, fa nampitolagaga izay rehetra nahita, na teratany izany na vahiny, hatramin’izay ka mandraka ankehitriny.
Vita sokitra amin’ny hazo voamboana avokoa mantsy ny lafin-drihana rehetra sy ny polipitra. Itompokolahy Samuel RAHAMEFY no nanome ny mariky ny sokitra izay tena nametrahany ny talentany tokoa, araka izay nampahalaza azy rahateo, terak’Ambohibemasoandro. Sary sokitra ahitana salohim-bary sy salohim-boaloboka endriky ny mofo sy ny divay nanambara ny tena sy ny ran’i Kristy izay nanolotra ny ainy teo amin’ny hazo fijaliana ho famonjena ny mpanota. Misaotra an’Andriamanitra avo indrindra ny Fiangonana tamin’ny nanomezany mpanompo nahay nampiasa ny talenta nananany tamin’ny asa tsara toy ireny.
“Mbola hitohy”
NALAINA TAMIN’NY BOKY “ILO SY TANTELY”
FJKM AMBOHITANTELY
Comments are closed, but trackbacks and pingbacks are open.