Ny famirapiratana sy ny tafiotra

Rehefa nodimandry tampoka Andrianony Mpitandrina teto Ambohitantely ny taona 1895, dia toy ny sosoa notampohin-drano ka nitsaha-niketrika » ilay hafanampon’ny Fiangonana sy ilay firehetam-po teo amin’ny fijoroana vavolombelona, mainka moa fa tonga rahateo koa ny vahiny nanao be fiavy tamin-kery haka an’i Madagasikara. Tao anatin’izany koa anefa no nitodian’ny Fiangonana tamin’Andriamanitra ka nangatahany Mpitandrina handimby ny nodimandry. Koa Rasoamanana Franck no lany eran’ny Mpandray Fanasan’ny Tompo.

Fahatongavan-dRasoamanana Franck tao Ambohitantely

Ny Loharano nipoirany

Rasoamanana Franck dia teraka ny taona 1856 tany Masindray faritr’i Vonizongo. Nipoitra avy tamin’ny fianakaviana tena efa masaky ny Filazantsara izy. Ny renibeny dia Rabodomanga, isan’ny maritiora enina mianadahy navarina teo Ampamarinana tamin’ny taona 1849, fotoana nampivaivay mihitsy ny fenenjehana ny fivavahana kristiana. Ny ray aman-dreniny kosa izay very anarana taminy, Rainisoamanana sy Renisoamanana, dia Mpitandrina tao Sambaina tany amin’ny faritr’i Vonizongo. Araka izany, tetiharana fohy izany dia nanamarika ny fahazazan’ity Mpitandrina ity sy ny fahatanorany ny fiainam-piangonana sy ny Filazantsara, ary tsy mahagaga raha mbola tany anatin’ny fahazazany dia efa nahatsapa ny antso ny maha Mpitandrina izy.

RASOAMANANA FRANCK sy ny Fiangonana Ambohitantely

Ny fahatongavany teto Ambohitantely

Na dia an’ny LMS aza ny Kôlejy tao Faravohitra, dia nisokatra tamin’ny finoana hafa izy tamin’ny fanofanana sy ny fampianarana tao. Koa tsy ny misionera LMS ihany no nampianatra tao fa tao koa ny misioneran’ny Frenjy, eny hatramin’ny misionera nörveziana tahaka an’i Dr Borchgrevink aza. Isan’izay nantsoin’ny LMS hampianatra tao amin’ny Kölejiny raha vantany vao tafaverina avy tany am-pitan-dranomasina Rasoamanana Franck ka ny teölöjia no nampianariny. Naharitra ela ny fotoana nampianarany tao amin’ny Kolejin’ny LMS. Nisy fotoana aza nampianatra teny Anglisy ny Mpitoriteny sy ny Sekolary izy, ary nahatonga ny anaram-bositra hoe « ilayAngIisy mainty ».

Mazava, araka izany, fa fanampiny ihany ny tao amin’ny Kôlejy, fa ny tena vaindohan-draharahany dia tao amin’ny Kôlejin’ny FFMA tao Ambohijatovo atsimo izay notokanana tamin’ny fomba miezinezina, ny 07 febroary 1870. Nitaiza tanora, nampianatra telôlôjia, Soratra Masina, fahalalana ankapobeny, sns. . . ary nanampy an’i Sewell tamin’ny fitantanana ny Kolejy ihany koa aza no tena nibahana ny fotoanany. Nisy Malagasy isan’ izay nifanampy tamin’ izy ireo, teo amin’izany fitantanana izany sy teo amin’ny fanabeazana ihany koa, Rainizafimanga.

Nanitatra ny saha niasany ny Misionan’ny Frenjy ho tonga hatrany amin’ny faritr’i Mandriadrano. Tsiahivina fa Ambohitantely sy ny zana-piangonana Ambohitantely no saha niasan’ny Frenjy hatramin’ny taona 1872, ka iny ilany andrefan’Antananarivo iny, niainga teo Anosizato, nipåka hatrany Arivonimamo no nielezan’ izany zana-piangonana Ambohitantely izany. Aty amin’ny taona 1890, dia nihevitra ny Frenjy fa tsara ny hanitarana ny asa mian-kandrefana kokoa, izany hoe, tsy nijanona teo Arivonimamo fa notohizana hatrany amin’ny faritr’i Soavinandriana sy ny manodidina ny farihin’ltasy ; ary avy eo no nianatsimo mankany Faratsiho ary nanohy miankandrefana indray mahazo an’i Tsiroanomandidy sy Ankavandra. I Nelson no misioneran’ny FFMA niasa sy namaky lay tany. Lavitrezaka ny Vina, malalaka ny saha hiasana, hany ka Rasoamanana Franck no tsinjon’ny FFMA fa hahavita hihazona ny fanitarana ity asa misiona miankandrefana efa natomboka ka tsy tiana ho faty momoka ity. Neken’izy mivady ny fanendrena azy ireo hisahana izany adidy mavesatra izany. Izy ireo ihany no Malagasy voalohany nandimby misionera ary nisahana ny asan’ny misionera sy nitovy laharana tamin’ny misionera raha ny andraikitra no jerena. Betsaka ny Fiangonana natsangana tamin’ny androny tamin’ iny faritra Mandridrano iny, nandritra ny dimy taona niasany tany, satria ny taona 1895, dia voatery nafindra indray tamin’ny andraikitra hafa izay mavesatra ihany koa izy.

Nanomboka ny taona 1883 dia tao anatin’ny sarotra ny fiainam-pirenena teto Madagasikara, noho ny Olana ara-diplaomatika teo amin’ny Hova sy ny Frantsay ka niafara tamin’ny fifandonana ara-tafika tany Toamasina ny taona 1884 ka hatramin’ny 1885. Noho io Olana io åry no antony nanirahana Ambasadaoro malagasy nitety an’izao tontolo izao, toy ny tany Frantsa, Angletera, Alemaina, Italy, Etazonia. Tao anatin’izany raharaha sarotra izany no niantson’ny mpanjaka Ranavalona III an-dRasoamanana Franck ho mpanolotsaina akaiky azy. Antony telo farafahakeliny no nahatonga ny mpanjaka niantso azy niala tany Mandridrano rehefa nifampiraharaha tamin’ny FFMA. Ny antony voalohany dia noho ny maha Mpitandrina azy. Kristiana nafana fo ary niezaka nijoro tamin’izany Ranavalona III, koa nila mpanolotsaina kristiana sy azony ianteherana tahaka an-dRasoamanana Franck izy. Fa ny antony faharoa lehibe koa dia noho ny fahaizana amam-pahalalany. Ankoatra ny fifehezana ny teny vahiny, dia teo mihitsy ny fahafantarany tamin’ny ankapobeny ny fandrosoana tandrefana sy ny fizotry ny pölitika maneran-tany tamin’ny faramparan’ny taonjato faha 19 io, satria nianatra tany ivelany maharitra izy. Ary ny antony fahatelo dia ny fitiavan-tanindrazana tao anatiny ka nananany firaiketam-po tamin’ ny mpanjaka sy tamin’ny firenena. Raha fehezina, dia olon-kendry sady marina ary nitokisan’ny mpanjaka Ranavalona Ill, ary tsy mba nandrenesana raorao na tamin’iza na tamin’iza tao Anatirova Rasoamanana Franck. Betsaka ireo manam-boninahitra tao Anatirova sy Dekan’ny Praiminisitra ary ny Olona ambony niangona tao amin’ny Fiangonana Ambohitantely hatramin’ny andron’ Andrianony. Teo ny maha fiangonana akaikin’ny Rova azy, fa teo indrindra koa ny maha Mpitandrina mpitaiza ara-panahy ny tao anaty Rova an’ Andrianony. TSY olombaovao tamin’ireo olona ireo sy tamin’ny Fiangonana Ambohitantely Rasoamanana Franck. Ambohitantely izay Renifiangonan’ny Frenjy ka nivezivezen-dRasoamanana Franck tamin’ny fampianarana sy ny toriteny ihany koa fony fahavelon’Andrianony, hany ka raha vao maty Andrianony dia niray fo ny Fiangonana Ambohitantely sy ny misionan’ny Frenjy ary ny manam-boninahitra sy ny Mpanjaka Ranavalona III tao anaty Rova, fa Rasoamanana Franck no atolotra hofidin’ny Fiangonana. Ka dia lany eran’ny Fiangonana fa izy no hitandrina ny Fiangonana, nanomboka ny

Ny fitaizam-panahy

Fantatry Rasoamanana Franck tsara Andrianony Mpitandrina nodimbiasany. Tsy teo amin’ny fiaraha-miasa tao amin’ny fandikana ny Baiboly tamin’ny teny Malagasy na koa tao amin’ny Kolejy LMS ihany fa indrindra teo amin’ny maha Frenjy an-dRasoamanana Franck. Raha toa ka nahita ny marimaritra iraisana tao anatin’ny fahasarotana Andrianony tamin’ny fampidirana ny Frenjy tao amin’ny Fiangonana Ambohitantely, dia azo lazaina fa Rasoamanana Franck kosa no isan’izay nanamafy izany toe-tsaina sy foto-pampianarana Frenjy izany tsy tao Ambohitantely ihany fa tao amin’ny sahan’ny asan’ny Frenjy manontolo mihitsy. Ireto lafin-javtra efatra ireto no azo amintinana ny fitaizam-panahy sy ny nijoroan-dRasoamanana Franck ka nampitaina tao amin’ny Fiangonana.

Fahamasinana

Ny hoe Frenjy, avy amin’ny teny Anglisy hoe friends dia midika fiainam-pirahalahiana. Fony nianatra tany Angletera Rasoamanana Franck, dia nanatri-maso ity fiainam-pirahalahiana teo anivon’ny Quakers na ny Frenjy ity. Tsy hoe Kristiana tonga mivavaka ny Alahady maraina dia miverina any amin’ny fiarahamonina indray ny Frenjy tany Angletera fa vondron’olona toy ny mpirahalahy miara-miombona, miaina ny fifampizarana ka miezaka manao asa soa. TSY hoe manaraka finoana iray fotsiny izany ny Frenjy, fa fiaraha-miaina ny fiainana frenjy. Zava-dehibe eo amin’ity fikambanana ity ny fitsipi-pitondrantena baikoin’ny fahamasinana sy ny fahamaotinana. Fiarahamonina miala amin’izao tontolo izao sy miaina ny fiainam-pahamasinana ny fiarahamonina frenjy. Ny olona masaky ny fitaizana frenjy tahaka an-dRasoamanana Franck dia manana tarigetra handala izany toe-tsaina izany. Ho an’ny fiarahamonina voavolavolan’ny fivavahana nentim-paharazana tahaka ny Malagasy, dia sarotra taminy ny hanaiky ity toe-tsaina frenjy mitaky fahamasinana eo amin’ny fitondrantena ity. Tamin’ny fijerin-dRasoamanana Franck, dia tsy hoe mpanara-dia an’i Jesoa ihany ny kristiana fa tena maka tahaka Azy. Izay toe-tsaina izay no nananany fandavantena nanaiky tamin’izay rehetra niantsoan’Andriamanitra azy, tamin’ny alalan’ny Fiangonana. Rehefa nampihariny teo amin’ny fitondram-piangonana tahaka ny teto Ambohitantely izany, dia tsy avy hatrany dia takatry ny Fiangonana. Nambarany mantsy fa ny fahamasinana dia iainana tsy amin’ ny fanompoana ihany fa indrindra koa amin’ny fiainan-tokantrano sy ny fitondran-tena, mainka moa fa ny fifandraisana amin’ny hafa. Isan’ny antony iray niteraka ny tafiotra teo amin’ny fifandraisany tamin’ny Fiangonanaity fitakiany ny fahamasinana amin’ny lafiny rehetra ity.

Toe-tsaina sy toe-po hentitra

Andriambelo no nitaiza ara-panahy an-dRasoamanana Franck tamin’ ny andron’ny fahazazany sy ny fahatanorany. Ny Olona tahaka an’ Andriambelo izay nahajoro vavolombelona ka nahafoy ny havany, ny tanånany, ka nandositra SY nierytany Vonizongo, noho ny Filazantsara, dia nanana izany toe-po sy toe-panahy hentitraizany. Nampitainy sy nanabeazany an-dRasoamanana Franck ity toe-tsaina sy toe-pohentitra ity. Tsy miala amin’ny marina sy ny Filazantsara na inona na inona zavatrasedraina. Tsy misy marimaritra iraisana eo amin’ny Filazantsara sy ny fiainan’ nympanompon’Andriamanitra, fa na manaraka an’i Kristy dia mandeha araka nyfanahin’ny Filazantsara, na mandeha araka ny zanak’izao tontolo izao.

Ity toe-tsaina hentitra tsy azo hozongozonina amin’izay maharesy lahatra ny tena ity dia mafy orina tao amin-dRasoamanana, ary vao mainka nihamafy orina rehefa nianatra tany ampitan-dranomasina sy nandalina ny teölöjia izy. Mazava, araka izany, fa nitaizany ny Fiangonana ity toe-tsaina hentitra ity. Tena nilain’ny Fiangonana tamin’ny fotoan’androny ity fomba fitaizana ity. Ny rafitra kaongregasionalista izay nampiharin’ ny LMS ka nalain’ny Frenjy dia nanome fahafahana ny isam-pitandremana sy ny olona tsirairay ao anatin’ ny Fitandremana ka nametraka azy ho tompon’ andraikitra amin’ny fitantanana sy ny fitondrana ny Fiangonana. Raha tsy eo ny toe-tsaina hentitra, tsy amin’ny lafin’ny fitsipika loatra, fa hentitra amin’ny Filazantsara, dia mora mikorontana ny Fiangonana. Nanana tombony aza ny Fiangonana Ambohitantely noho ity mpialoha lalana teo amin’izany toe-po sy toe-panahy izany.

Fanetren-tena

Avy any ambanivohitrany fiavian-dRasoamanana, tany amin’ny faritr’ i Vonizongo, ary notezaina tamin’ny fahatsorana sy ny fandeferana izy. Na dia nitana andraikitra ambony mandrakariva aza izy, tsy teo anivon’ny Misiona Frenjy ihany, fa teo amin’ny firenena sy ny Sekoly ihany koa, dia tsapa tamin’ izay rehetra nampanaovina azy ny toetsain’ ny fanetren-tena. Betsaka ny mbola azo itarafana ity fitaizana momba ny fanetrentena nolovaina taminy hita ao amin’ ny FiangonanaAmbohitantely mandraka ankehitriny ity. TSY tia sehoseho amin’ny fahaizana amam-pahalalana, amin’ny vola amin-karena, amin’ny fahefana, sns…, no atao hoe fanentren-tena hoy Rasoamanana Franck. Ny antony nanomezan’Andriamanitra ny fanomezam-pahasoavana ho an’ny olona iray dia tsy ny hampisehoana izany, fa ny hampiasana izany. Ny olona maika hampiseho ny fanomezam-pahasoavany dia tsy mpampiasa ny fanomezam-pahasoavany. Noho ity toetrany manetry tena ity aza, dia betsaka ny fanomezam-pahasoavana nananany tsy fantatry ny Fiangonana izay notandremany akory. Isan’ny Fiangonana voataiza tao anatin’ny fanetren-tena ny Fiangonana Ambohitantely. Anjato taonany no efa nitaizana izany, ary isan’izay voalohany nampiditra izany ho ao anatin’ny fiainam-piangonana ity Mpitandrina ity. Efa taranaka maro nifandimby tao amin’ ny Fiangonana no nahatakatra ny lanjan’ny atao hoe fanetren-tena. Ireo Mpitandrina mpandimby taty aoriana dia karazan’ny nipasoka ny efa malama ihany, sady nanohy izay efa natomboka.

Fitiavana ny fiainam-pikambanana

Tsy toetra tonga ho azy tao anatin’ny Fiangonana, mainka moa fa tao anatin’ny olona, ny toetra tia fikambanana na miaina ao anatina fikambanana. Mety ho tia miangona ny olona, mety ho tia mianatra Soratra Masina, mety ho tia mihira koa, fa tsy voatery ho tia fiainam-pikambanana. Ho an-dRasoamanana Franck dia zava-dehibe ny fitaizana ny tanora sy ny Fiangonana ho tia fikambanana. Ny fikambanana mantsy taminy dia sehatra iray anefena sy izaran’ny kristiana izay maha izy azy; nampidiriny miandalana tao amin’ny Fiangonana Ambohitantely ihany koa ity fitiavana fiainam_ pikambanana ity. Tsy tokony hohadinoina mantsy fa izy dia tao anatin’ny mpitarika ny fananganana ny Sampana Sekoly Alahady tao amin’ny Frenjy ka niely tonga hatrany amin’ny Fiangonan’ny LMS. Tao Ambohijatovo atsimo no teraka ny Sekoly Alahady tahaka izao endriny ankehitriny izao, ary nampitaina tany amin’ ireo Renifiangonana sy niampita tany amin’ny zana-piangonan’izy ireo avy. Tsy ny Sampana Sekoly Alahady ihany no fianam-pikambanana nisy tamin’izany fotoana izany fa teo ny fikambanana tanora, fikambanam-behivavy, sns… izay namporisihan-dRasoamanana Franck mba hotiavin’ny Fiangonana.

Ny tafiotra

Ny tafiotra voalohany dia izay nitranga tao anatin’ny Misionan’ny Frenjy. Telo mianaka ny mpamaky lain’ny Frenjy tonga teto, ny volana Jona 1867. Araka ny efa voalaza, dia i Sewell sy Louis Street mivady. Ireto farany dia avy amin’ny Misiona frenjy amerikana. Na dia samy Frenjy aza izy roalahy, dia tsy nitovy fomba fijery mom ba ny fiarahamonina malagasy. I Sewell dia nanaraka ny fomba fijerin’ ny misionera LMS. Fa i Street kosa dia nanaraka ny fomba fijerin’ireo Frenjy amerikana, ka nilaza fa misy fanandevozana eto Madagasikara raha nijery ny rafitra antanantohatry ny fiarahamonina Malagasy izy, dia ny fisian’ny Andriana, ny Hova ary ny Andevo. Tokony hiady amin’izany rafitra antanantohatra izany ny Fiangonana, hoy izy, ary tsy tokony hanaiky izany amin’ny fomba fiasany. Nifandona tamin’ireo mpitondra tao Anatirova izy tamin’izany fomba fijeriny izany, izay nilazan’izy ireo taminy fa samy hafa ny fanandevozana tany Amerika izay isan’izay notoherin’ny Frenjy amerikana fatratra, sy ny rafitra antanantohatra teto Madagasikara. Ny fanandevozana tany Amerika diafanaovana ny olona ho tahaka ny fitaovana ary fanapotehana ny maha olona mihitsy.

Fa ny eto Madagasikara kosa, hoy izy ireo, dia tsy izany velively fa raisina ho toy ny zanaka, ankizy aza no iantsoana azy ireny. TSY navahina tamin’ ny toerana manokana izy, tahaka izay tany Amerika, fa niaraka tamin’ny fianakaviana rehetra tao an-tokantrano ihany. Ny tandrefana, hoy ny tao Anatirova, no mijery ny fiarahamonina malagasy amin’ny solomaso tandrefana ka tsy mahazo ny tena endri-pifandraisana misy ao amin’izy ireo. Nisy åry ireo lahatsoratra maro samihafa nataon’i Louis Street tao anaty gazetim-piangonana ho fanoherana izany. Vokatr’izany dia nafindran’ny Frenjy tany amin’ny toeran-kafa niala teto Madagasikara i Louis Street sao hiteraka korontana ao amin’ny fiarahamonina. Rasoamanana Franck dia nahatsiaro amin’ny maha Malagasy kristiana azy, amin’ny maha teölöjiana akaiky ny toe-tsaina nentim-paharazana azy, fa na dia tsy marina tanteraka aza ny fijerin’i Louis Street, dia misy zavatra tokony ho sainin’ny Fiangonana manoloana io rafitra antanantohatra io. Na inona na inona mantsy fanazavana atao, dia mifanohitra amin’ny fanahin’ny Filazantsara io rafitra io ary manome vahana ny sokajin’olona sasany fa mambotry kosa ny hafa. Takany tsara fa tokony hiova fijery sady ho fitaovana mitory ny fahafahana sy mampahafantatra ny fitiavan’Andriamanitra ary ny firahalahiana ny Fiangonana, ary tsy hanaiky ny rafitra antanantohatra ho fitaovam-piasan’ny Filazantsara. Betsaka ihany, araka izany, ireo izay tsy nankasitraka azy tamin’ity fomba fijeriny ity. Kanefa noho ny toe-tsaina hentitra nananany dia tsy nampaninona azy velively ny nitory ny fitovian’ny olona rehetra eo anatrehan’ Andriamanitra.

Ny tafiotra faharoa dia izay nitranga tamin’ny faran’ny taonjato faha 19. Nitondra ratram-panahy mafy ho an’ny kristiana malagasy ity fiantombohan’ny fanjanahantany ity, ka somary nanamaloka ny fijerin’ny kristiana ny misionera. Soa fa hain’ny misionera ny nanazava fa tsy misy ifandraisany velively tamin’ny LMS sy ny Frenjy na koa ny Misiona anglikana aza ny fiantombohan’ny fanjanahan-tany. Betsaka tamin’ireo kristiana teto Ambohitantely no mbola nitondra izany ratram-po anaty izany, ka tsy nankasitraka ny fitondrana kôlônialy frantsay, ny fiandohan’ny taonjato faha 20. Tsinjon’i Galléni izany tsy fitiavan’ny ankamaroan’ireo mpivavaka teto Ambohitantely ny fanjanahan-tany izany, satria tsy ampy telopolo metatra miala ny Fiangonana Ambohitantely ny fonenany. Tao anatin’ny Fiangonana Ambohitantely ihany koa anefa ny taona 1905, dia nisy disadisa anatiny niainga tamin’ny fitondrantena tsy nety loatra teo amin’ny fiainan’ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo iray, ka tsy nankasitrahan-dRasoamanana Franck. Izy rahateo nivoy ny fahamasinana sy ny Filazantsara, kop tsy nanaiky handefitra na hampandefitra izany. Nitaona olom-bitsy hiandany taminy ity Olona voaresaka ity, ary teo no nampivaky ny Fiangonana. Niaro mafy an-dRasoamanana Franck ny Fiangonana Ambohitantely satria nahafantatra ny ambadika politika rehetra manodidina izany, saingy niafara tamin’ny fametraham- pialan-dRasoamanana Franck izany na dia notazonin’ ny Fiangonana mafy aza izy. Ratram-po, fahadisoam-panantenana, fangatsiahana no nolalovan’ny Fiangonana tamin’ity vanim-potoana ity, ary nahatonga fianarana ho azy hatramin’ny androny taty aoriana rehetra. Nalefan’ny FFMA hiasa tany Arivonimamo, nampianatra tao amin’ny Sekoly Biblika Tsarahonenan’Arivonimamo Rasoamanana Franck. Nitaiza kilasimandry sy nanofana Evanjelistra, Mpampianatra sy Mpitoriteny tao amin’ny sahan’ny FFMA. Olon’ny fanetren-tena izy ka izao no teniny manao hoe : « Izay toerana hahafatesanay, no handevenana anay ». Tany Arivonimamo, tao amin’ny Station missionnaire no tena nandanian’izy mivady ny herim-pony sy ny fitiavany, ary tany izy ireo no nodimandry. Nifanao enim-bolana ny nahafatesan’izy mivady ka Raketaka no lasa mialoha, ny volana Aprily 1918. Nisy fianakaviana nanome azy mivady fasana vaovao izay nilevenan’izy ireo, ka mandraka ankehitriny dia izy mivady ihany no ao.

NALAINA TAMIN’NY BOKY « ILO SY TANTELY »
FJKM AMBOHITANTELY