LOHARANO NIPOIRAN’I RAINITRENA :

Rainitrena Andriamahazo no tena anarany. Noheverina ho teraka tany amin’ny taona 1800 tany ho any izy ary taranak’olona ambony sady fototr’olona ny loharano nipoirany : Andrianony (1750) mpanolotsainan’Andrianampoinimerina, avy amin’ny foko Zanak’Andrianato, zanappokon’ny Zanatapanga avy ao Ambohibemasoandro ny raibeny, izany hoe, ao anatin’ny faritra Mandiavato (sahabo ho 40km avaratra atsinanan’Antananarivo).

Vahoaka nitokisan’Andrianampoinimerina fatratra Ambohibemasoandro, ary zary toetran’ny mponina ao izany fanompoana fanjakana izany. Ankoatra ny fambolena sy ny fiompiana izay fiveloman’ny olona tamin’ny fotoan’andro dia mpahay tao-zavatra sy asa tanana ny mponina ao Ambohibemasoandro, hany ka maro ny mpahay asa tanana nivoaka avy amin’iny tanàna iny ; isan’ireny Rainitrena sy ny taranany, toa an-dry Samuel Rahamefy izay nitarika ny fanamboarana ny rihana sy ny pilopitran’ny Fiangonana Ambohitantely, ny tilikambo, sady mpamoron-kira no mpanao hosodoko rahateo.

Noho io fifandraisan’Andrianampoinimerina tamin’Andrianony raiben-dRainitrena io no nahatonga an-dRadama nanome vodivona ho azy ireo tao Ambohijatovo (avaratr’atsinanan’ny sahan-dRatsarahoby).

Nodimandry ny taona 1883 i Rainitrena ary nalevina tao FAravohitra. Ny taona 1917 kosa no nanesorana azy tao Faravohitra ka nahitana izao soratra izao tao amin’ny bokim-piangonan’Ambohitantely mirakitra ny fanapahan-kevitry ny Mpandray : « Hafindra toerana ny nofon’i Rainitrena nitandrina teto amintsika, koa manana adidy hanotrona ary hifanentana hanatitra kaodrazana any amin’ny fianakaviana isika ».

NALAINA TAMIN’NY BOKY “ILO SY TANTELY”
FJKM AMBOHITANTELY