Ny loharano niteraka ny ony
Efa hatramin’ny andron’ny fanenjehana no nisian’ny vondrombavaka tao Antsahabe izay toerana nofidian’ireo kristiana vitsivitsy hifampaherezana sy hifampianarana ary indrindra ho fiaraha-mivavaka. Toerana mbola azo nierena tsara ny tao Antsahabe tamin’izany fotoana izany noho izy somary lavitra ny Rova, somary takontakona, ary nanavia ireo manam-boninahitra. Avy tany Ambatonakanga nankany Ambatovinaky mantsy ny lalana niakatra tany Anatirova, na koa avy taty Atsinanana, Ambavahadimitafo sy Anjohy ; fa lalan-kely kisilasila sy mideza somary sarotra aleha ny avy ao Antsahabe miakatra makany amin’ny Rova. Azo heverina ho tany amin’ny manodidina ny taona 1853 tany ho any no efa nisian-ity vondrombavaka tao Antsahabe ity izay loharano niteraka ny Fiangonana Ambohitantely. Tao anatin’io vanim-potoanan’ny fanenjehana io mantsy dia niparitaka ireo kristiana vitsy an’isa ka tany am-pierena no nanao ny fotoam-pivavahana. Nisy ny tany anaty Zohy, tao koa ireo nihataka ny tanàna ka tany an-tendrombohitra na tany an-dohasaha, tao koa aza ny tany an-kenihenin’i Betsimitatatra. Nisy anefa ireo nijanona teny an-tanàna ihany fa namboatra kosa ny trano ho toeram-pierena hahafahana mivavaka : nohatevenina ny rindrina natao roa sosona, namboarina ny tafontrano sy ny varavarana mba tsy ho hita ety ivelanyizay rehetra hatao ao anatiny, tahaka izay nataon-dRainitrena sy Andriamahery tao Ansahabe. Tsy vondrombavaka niolonolona samirery akory ireny nisy isan-tokantrano na isan-tanàna ireny fa tena nisy fifandraisana tokoa ary zary nifankafantatra aza ireo samy kristiana. Nisy rahateo ny teny miafina nifankahalalana sy nifampitam-baovao mandritra izany fanenjehana izany. Tsy fanao ny miteny hoe Baiboly fa « entana » no filaza azy. Tsy fanoa ihany koa ny manao hoe fotoam-pivavahana na fiaraha-mivavaka fa « fanompoana » no niantsoana azy, avy amin’izay no nahatonga ny teny hoe fanompoam-pivavahana ampiasaina mandraka ankehitriny. Ny teny hoe « Mpitandrina » dia nipoitra ihany koa tao antin’ny fanenjehana ka nilazana ireo raiamandreny mpitarika, mpitsidika sy mpampahery isaky ny vondrombavaka. Fampiasa ihany koa ny teny ho « vahiny », izay teny miafina nilazana ireo kristiana niala tamin’ny tanàna nisy azy nivahiny tamin’ny toerana nisy kristiana. Efa nisy ihany koa ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo tao anatin’ny fanenjehana izay notarihin’ireny Mpitandriana na ireny raiamandreny mpitarika ireny isaky ny mandalo vondrombavaka miafina. Ny teny miafina izay nilazana ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo dia natao hoe « Lorsapiara» (avy amin’ny teny Anglisy hoe Lord’s supper).
Araka ny fitantaran-dRabary Mpitandrina, dia tao anatin’ny fanenjehana no efa nisy vondrombavaka teny amin’ny faritra ambony ; isan-izany ny teto Ambohitantely sy ny tao Ankadibevava ary tany amin’ny tokantrano sasantsasany. Tsy avy amin’izy ireny anefa no niandohan’ny Fiangonana Ambohitantely fa avy aty Antsahabe.
Nifandray tamin’ny vondrombavaka izay nipoiran’ny Fiangoanana Analakely ity vondrombavaka tao Antsahabe ity. Tsy mahagaga, araka izany, raha toa ka nisy fifamatorana ny Fiangonana Analakely sy ny Fiangonana Ambohitantely. Tsy hoe fiaraha-mivavaka ihany no nataon’ny kristiana tany am-pierena fa teo koa ny fifampitaizana toy ny fifampianarana mamaky teny sy manoratra. Ny Baiboly voalohany dia boky matevina dia matevina ka sarotra afenina. Mba hanamorana ny fanafenana azy dia nozarazarain’ny kristiana ho samy manana takelaka vitsivitsy avy ny isambatan’olona sady hianarana mamaky teny no fianarana Soratra Masina. Vitsy rahateo ny Baiboly voatonta raha oharina amin’ny isan’ny kristiana. Tsotra ny Litorjia tao anatin’ny fanenjehana : vavaka sy Soratra Masina, mahalana aza no misy hira noho ny fierena fa teo koa noho ny fanadinoana ny feon-kira. Roanjato isa monja mantsy ny Fihirana natonta ny taona 1827 ary tsy mbola vita solfa. Tamin’ity vanim-potoana ity no voalaza ho nipoiran’ny hira Zafindraony.
Rehefa tapitra ny fanenjehana, ny taona 1861 ka afaka nipoitra an-kahalalahana ny fivavahana kristiana, dia nitombo isa ny mpivavaka ka tsy antonona intsony ilay tranon’Andriamahery tao Antsahabe. Koa nanapa-kevitra izy ireo ny hitady toeran-kafa.
Tao anatin’izany kenonkenona fitadiavana toerana izany ihany koa no niverenan’ireo misionera L.M.S (London Misionary Society) notarihin’i William Ellis teto Madagasikara hanohy ny fitoriana ny Filazantsara indray.
Nanganohano ny mason’ny misionera raha nahita ny vahoaka kristiana Malagasy protestanta nivory lanona nandray azy ireo. Tsy resin’ny fanenjehana ny finoan’ny kristiana Malagasy ary vao mainka zary zezika nampiroborobo ny finoana indray aza ny fanenjehana. Latsaka ny zato ny kristiana vita Batisa sy nandray ny Fanasan’ny Tompo talohan’ny nipoahan’ny fanenjehana, kanefa taty aorian’ny fanenjehanadia anarivony ny isan’izy ireo. Ary isan’izay mpitarika nafana fo novantanin’i Ellis sy nandray azy Andriamahery sy Rainitrena. Tsy maintsy natao ny fandaminana ny Fiangonana telo tonta lehibe, loharano nipoiran’ny Renifiangonana teto Antananarivo dia ny Fiangonana Analakely sy Amparibe ary Ambatonakanga.
Ny taona 1864 no niakatra nankeny Ambohitantely ny vondrom-piangonana notarian’Andriamahery sy Rainitrena tao Antsahabe, ka Andriamihamina zanak’Andriamahery no voalohany nanolotra ny tranony mba hiangonan’ny mpivavaka. Taty aoriana dia nisy fianakaviana maromaro nanolotra ny taninyihany koa hanitarana ny Fiangonana. Nisy kristiana, araka izany, avy tao Ambatonakanga sy tao Analakely nanampy isa ny mpivavaka teto Ambohitantely.
Tsy nitsaha-nitombo ny isan’ny kristiana teto Antananarivo. Ny taona 1868 dia nisy fandaminana fanindroany indray, ka lasa sivy ireo Renifiangonana, dia Analakely, Amparibe, Ambavahadimitafo, Ambatonakanga, Faravohitra, Avaratr’Andohalo, Ambohipotsy, Ambonin’Ampamarinana, Ambohitantely izay samy nifamatotra tamin’ny tantaran’ny fanenjehana ary nipoitra avy tao anatin’ny fanenjehana. Ireo Fiangonana sivy trano no nametrahan’ny L.M.S misionera hiahy azy sy ireo zana-piangonana niankina taminy.
Araka ny voalaza tany aloha dia nifandray tamin’ny vondrombavaka tao Analakely sy Ambatonakanga ny vondrombavaka tao Antsahabe izay nipoiran’ny Fiangonana Ambohitantely. Fa tsy lavitra ny Fiangonana Ambohitantely, dia nisy kosa ny Fiangonana Avaratr’Andohalo izay avy amin’ny Fiangonana Analakely ihany koa. Nihevitra àry ny L.M.S tamin’ny alalan’ny misionera Hartley tamin’ny taona 1864 fa tsara raha atambatra ho iray ny Fiangonana Avaratr’Andohalo sy ny Fiangonana Ambohitantely ; saingy tsy nanaiky io fampitambarana io ny Fiangonana Ambohitantely.
Ny taona 1865 sy 1866, tamin’ny andron’i Drucks, dia nikasa indray ny L.M.S ny hampitambatra an’Ambavahadimitafo sy Ambohitantely, saingy tsy tanteraka izany. Ny anton’ireo fampitambarana indroa miantaona ireo dia noho ny tsy fahampian’ny misionera L.M.S ; koa dia nitoetra tsy nanana misionera izany Ambohitantely na dia Renifiangonana aza.
Tsara ny manamarika fa ny Fiangonana Ambohitantely no Fiangonana voalohanyniorina tao anatin’ny faritra na ny tamboho misy ny Rova. Izany hoe, izy no Fiangonana voalohany tao anatin’ny tanàna misy ny Rova.
Ny fiitaran’ny Fiangonana sy ny fifindran-toerana
Zavatra telo no nanamarika ny fiitaran’ny Fiangonana Ambohitantely :
Ny voalohany dia teo amin’ny lafiny ara-panahy. Araka ny efa voalaza teny ampiandohana dia ny fanenjehana ny fivavahana kristiana no nanefy an’Andriamahery sy Rainitrena, ho mpitarika ny Fiangonana Ambohitantely. Izany fahalalana ara-tSoratra Masina notantovina tao anatin’ny fanenjehana izany no nentin’izy roalahy nanomboka ny fitaizam-panahy tao anatin’ny Fiangonana. Fiainam-panahy nolovàna tamin’ny toe-tsaina sy fomba fiainan’ny maritiora no niantombohan’ny fiainam-panahin’ny Fiangonana Ambohitantely. Fiainam-panahy niorina tamin’ny fitiavana ny Tenin’Andriamanitra sy ny faharetana ary fankamamiana ny fiombonana. Nanefy ny toe-tsain’ny Fiangonana tokoa izany lova tamin’ny maritiora izany ka tsy mahagaga raha toa ka nisy olona maro nahafoy tany sy fananana nenti-nanana tamin’ny fanitarana ny Fiangonana Ambohitantely. Ny vinan’ny faharetana izay nolovaina ihany koa tamin’ny maritiora dia namporisika ireo kristiana tao Antsahabe handroso hiakatra ambonimbony kokoa ka namindra ny Fiangonana ho ety Ambohitantely amin’izao toerana misy azy ankehitriny izao. Fa eo koa ny fiainam-bavaka izay kitro nifaharan’ny fiainam-panahin’ny maritiora ka nampianarin’izy roalahy, zary nolovaina mandraka ankehitriny aza eo anivon’ny Fiangonana.
Ny faharoa dia ny fiitaran’ny Fiangonana teo amin’ny fitombon’isan’ny mpiangona. Tsy rebikondry velively araka izay tranga taty aorianatsy akory no nahatonga ny olona nibosesika nameno ny trano Fiangonana tao amin’ireo Renifiangonana sivy teto Antananarivo fa hetaheta ny handray ny Filazantsara hatrany amin’ny andron’ny fanenjehana ; hany ka raha vantany vao niamboho Ranavalona reniny dia nameno ny Fiagonana ny kristiana izay nionona tamin’ny Fivavahana miafina teo aloha. Tsy antonona àry ny trano tao Antsahabe, dia niakatra nankety Ambohitantely izay tao anatin’ny zaratanin’Andrianamboniolona nifanila tamin’Andriandranando sy ireo hova ambony tamin’ny andron-dRadama ; hany ka nibosesika niangona tao Ambohitantely ireo manamboninahitra sy olomanankaja tao Anatirova tamin’ny andron-dRasoherina sy Ranavalona II.
Fa ny fahatelo dia ny fiaraha-miasa tamin’ny L.M.S izay nanamarika ihany koa ny fiitaran’ny Fiangonana. Tsy nataon’ny misionera ambanin-javatra ny fiaraha-miasa tamin’ny Fiangonana Ambohitantely na teo aza ny fikasana ny hampitambatra azy tamin’ireo Fiangonana roa nifanila vodirindrina taminy (Avaratr’Andohalo sy Ambavahadimitafo) dia tao ampon’izy ireo mandrakariva ny fitiavana ny Fiangonana Ambohitantely ka nikarohan’izy ireo lalana hananany fahaleovantena sy misionera manokana tahaka retsy ora hafa.
Na dia nandroso sy nampivelatra ny asa tahaka izany aza izy roalahy, dia tsapany ihany ny vesatry ny taona nihanitombo sy ny fahatsapany fa mila rivo-baovao ihany koa ny Fiangonana ka ilàna Mpitandrina vita fianarana. Afa-po tamin’ny fitondrana ny Fiangonana tao antin’ny fanenjehana sy ny fivoahana ny fanenjehana izy roalahy ka nihevitra fa mety raha mangataka Mpitandrina voaoman’ny misionera hitondra ny Fiangonana.
Ny nahatonga ny Fiangonana Ambohitantely ho Fiangonana Frenjy
Rehefa niitatra ny asa fitoriana ny Filazantsara ka tsy araky ny misionera L.M.S intsony ny asa teto Madagasikara, dia niangavy ny Friends Foreign Mission Association (FFMA) na fantatra amin’ny hoe « Frenjy » izy, mba hanampy azy amin’ny fanabeazana taty Madagasikara. Fikambanana mpanao asa soa ny Frenjy araka ny fahafantarana azy. Tsy mitovy sata velively amin’ny L.M.S izay fikambanana mpandefa misionera izy fa tahaka ny fianakaviana izay miombona hanao asa soasy fampianarana. Raha eo amin’ny lafiny ara-pinoana no jerena, na dia nanaraka ny tarazo protestanta aza ny FFMA dia nananaizay nampiavaka azy manokana ka nifanoherany mihitsy tamin’ny LMS aza. Tsy fikambanana natao hanangana Fiangonana na ho tonga Fiangonana ny FFMA, fa fiombonan’ny olona resy lahatra hiaina ny Filazantsara ao amin’ny fiarahamonina ka hampita izany amin’ny alalan’ny asa soa sy ny asa tsara. I Joseph Sewell sy Louis Street mivady no iraky ny FFMA voalohany nigadona teto Antananarivo ny 01 Jona 1867. Araka ny fanomezam-pahasoavana izay efa nananan’ity fikambanana mpandefa misionera ity dia nampitain’ny misionera sy ny fanjakana Malagasy taminy ny fanabeazana, ary nomena toerana malalaka izy hanatanterahany izany asa fanabeazana izany teo « Andranonamboa ». Tonga teo amin’izany toerana izany i Sewell, dia hoy izy tamin’ireo Malagasy mpiara-miasa taminy : « eto no haorintsika ny vohitry ny zatovo, ka hataontsika hoe Ambohijatovo ity toerana ity ». Koa mandraka ankehitriny dia Ambohijatovo no iantsoana ilay toerana. Ary teo rahateo no nanomboan’ny FFMA ny sekoly sy ny fampianarana maro samihafa (Vohipiraisana ankehitriny) ; tao no nahaterahan’ny Sampana Sekoly Alahady ; tao koa no nitaizana tanora zazalahy avy any ambanivohitra ka niitaran’ny asa ho amin’ny fitaizana zazavavy tao Ampandrana (Sekoly Gilpin). Araka izany, dia tsy lavitra an’Ambohitantely no nisy ny fonenan’i Sewell, ary nifidy ny Fiangonana Ambohitantely hiangonany izy. Nahafinaritra ny Fiangonana Ambohitantely ny fiaraha-miasa taminy sy ny fahitana azy ka dia nangatahin’izy ireo izy mba ho misionera hiasa ao aminy. Sadaikatra i Sewell satria voalohany indrindra, tsy Mpitandrina izy fa mpampianatra ; faharoa , ny FFMA dia tsy natao hitondra Fiangonana fa hanao asa soa ; ary fahatelo dia an’ny LMS ny Fiangonana Ambohitantely. Na izany aza, dia nentiny teo amin’ny LMS ihany ny fanirian’ny Fiangonana Ambohitantely mangataka azy ho misionera ao aminy. Neken’ny LMS sady nahafaly azy fatratra izany fangatahan’ny Fiangonana Ambohitantely izany ka natolony ho an’ny Frenjy ny Fiangonana Ambohitantely sy ireo Fiangonana niankina taminy rehetra hatrany Arivonimamo. Andriamahery sy Rainitrena no Mpitandrina tato Ambohitantely tamin’izany fotoana izany ka azo lazaina ho angady nananana sy vy nahitana ny fifandraisana tamin’ny Frenjy.
Aty amin’ny taona 1872 vao tena notanterahina ny fifanekem-piaraha-miasa teo amin’ny telo tonta : ny Fiangonana Ambohitantely, ny FFMA ary ny LMS.
Nalaina tamin’ny Boky “Ilo sy Tantely”
FJKM Ambohitantely
Comments are closed, but trackbacks and pingbacks are open.