Ny Fiandraiketana ny Fifandraisana dia misahana ny fifandraisana anatiny sy ivelan’ny Fiangonana. Ny atao hoe fifandraisana ivelany dia ny fandaminana ny solonten’ny Fiangonana amin’ny famonjena fivoriana Foibe, Synodamparitany, Faritra, Komity, sy ny fifampiofanana ivelan’ny Fitandremana Ambohitantely. Ny atao hoe fifandraisana anatiny kosa dia fisahanana ny fampifandraisana na ny fampiombonana ny fianakaviamben’ny Fiangonana.

Fotokevitra ara-teôlôjia roa lehibe no mibaiko ny asan’ny fifandraisana. Ny voalohany dia ny «koinonia» na ny fampiombonana ary ny faharoa dia ny maha vavolombelona.

Ny koinonia

Amin’ny maha fiangonana ny Fiangonana dia manana ny rafitra izay mampijoro azy izy, saingy tsy rafitra fe rafitra fotsiny ny Fiangonana fa toy ny fianakaviana ihany koa izy na fiombonana. Tsy mahavita na inona na inona ny Fiangonana raha rafitra ihany ary malemy kosa izy raha fiombonana tsy misy rafitra. Ny Fiandraiketana ny Fifandraisana dia m isahana izay maha fiom bonana ny Fiangonana izay ka manao tetikasa maro samihafa mampiombona sy mampifankatia ary mampiray. Ny tetikasa rehetra izay sahanin’ny Fifandraisana dia mizotra mankany amin’izany fampifandraisana ny Fiangonana izany. Samy manana ny fanomezam-pahasoavany ny kristiana ISambatan’olona, samy manana rahateo koa ny andraikitra sy ny adidy sahaniny avy, raha tsorina dia samy manana ny maha izy azy ny tsirairay nefa ampiombonin’i Kristy ao amin’ny Fiangonana ary izy rehetra dia samy manana ny hetaheta hitondra ny anjara fanompoany sy ny talentany. Anjaran’ny Fiandraiketana ny Fifandraisana ny miadidy ny fampifandraisana ny Fiangonana ao anatin’izany fanajana ny fahasamihafana sy ny fanomezam-pahasoavan’ny tsirairay izany. Efatra ny fitaovana ampiasain’ny Fiandraiketana ny Fifandraisana amin’ny fanatanterahana ny asa anatiny sy ivelany.

Ny famelabelaran-kevitra ombam-pitaizana

Amin’ny ankapobeny dia manao famelabelaran-kevitra intelo isan-taona eo ny Fiandraiketana ny Fifandraisana ho fitaizana ny Fiangonana hanao ho zava-dehibe ny fiombonana sy ny fijoroana ho vavolombelona. Ao ny Alahady maraina, kanefa miara-miasa amin’ny Fiandraiketana ny Sampana sy Sampan’Asa ary Asa izy manomana famelabelarana manokana ho an’ny tanora amin’ny Alahady hariva. Arakaraka ny lohahevitra no anondroana ny mpanao velakevitra. Indraindray, vahiny nasaina manokana, indraindray ny Mpitandrina eto an-toerana ihany. Misy fotoana dia ny Loholona na ny Diakona eto an-toerana ihany koa no manao azy.

Ny Gazety

Efa mihoatra ny 25 taona izao ny gazetim-piangonana Ambohitantely na ny Gazety Tantely. Miovaova ny fatetehan’ny fivoahan’ny gazety. Tany am-boalohany isa-telovolana dia nanjary isan’efabolana, fa ankehitriny kosa dia isa-droa volana. Fitaovam-pifandraisana ho amin’ny fampiombonana ny gazety, saingy fitaovam-piasana koa izy amin’ny fitoriana ny Filazantsara sy fitaizam-panahy. Ireto zavatra enina ireto no hita ao amin’ny gazety: ny Matoan-dahatsoratra, ny Sabatry ny Fanahy izay tsy hafa fa toriteny; ny Tohotantely dia fampianaram-pinoana miainga amin’ny lohahevitra; ny ilo mby an-doha dia pejin’ny soatoavina na kolontsaina na koa tantara. Ao ny Voan-tSampana sy ny Vaovaom-piangonana samihafa anatiny sy ivelany, ny Vahiny nasaina manokana. Amidy amin’ny vidiny takatry ny Fiangonana ny Gazety Tantely.

Ny tranonkalam-pifandraisana

Na ny site web. Mampifandray ny Fiangonana amin’ireo zanaky ny Fiangonana any ampitan-dranomasina na ny Zanaparitra Galilia ity fitaovam-pifandraisana ity: www.fjkm-ambohitantely.mg. Saika hita ao anatiny avokoa ny fiainam-piangonana ankapobeny ary maro ireo tahirin-tsary tehirizina ao. Ny fanompoam-pivavahana, indrindra ny toriteny sy ny fampianarana, dia hita ao amin’ny tranonkalam-pifandraisana herinandro aty aoriana, ka azon’ny rehetra henoina sy arahina. Amin’ny fotoan-dehibe dia mivantana ny fanompoam-pivavahana ka arahin’ny Zanaparitra Galilia any ampitandranomasina ny fizotry ny fotoana manontolo. Betsaka ireo kristiana tsy zanaky ny Fiangonana Ambohitantely eto an-toerana na any ampitan-dranomasina no liana amin’ity tranonkalam-pifandraisan’ny Fiangonana Ambohitantely ity.

Ny fitsangantsanganana

. Ny fitsangantsanganana dia nosokajina ho fitaovam-piasana ihany koa amin’ny fampifandraisana sy ny fampiombonana ny Fiangonana. Efa ho 100 taona latsaka kely izao no isaky ny Andro Fiakarana ny fitsangantsanganan’ny Fiangonana. Misy soatoavina efa mahazatra ny Fiangonana mikæsika ny fitsangantsanganana, toy ny laoka iombonana, saran-dålana ifampizaråna, lalao iraisan’ny Sampana sy ny Zanaparitra, lalao iraisan’ny Sampana sy ny Fiangonana, sy ny sisa. Tsy hadinon’ny Fiangonana Ambohitantely koa anefa ny manao ho zavadehibe ny Andron’ny Fiakarana amin’ny maha fety kristiana azy, koa mialoha ny fitsangantsangananadiam isy fanom poam-pivavahana feno karakarain’ ny Fiandraiketana ny Ara-panahy. Mifidy toerana akaiky Fiangonana F.J.K.M. ny Fiandraiketana ny Arapanahy anaovana ny fitsangantsanganana, ka manao fandaminana amin’ny Fiangonana any an-toerana izy mba hampiasa na miara-mampiasa amin’ny Fiangonana anaovana fanompoam-pivavahana, ary aorian’izay kosa vao mitsangantsangana. Araka izany, dia tsy eny ankalamanjana izy no manao fanompoam-pivavahana amin’ny Andro Fiakarana fa ao an-trano fiangonana ihany ho mariky ny maha zava-dehibe ny fotoana niakaran’i Kristy tany an-danitra. Amin’ny ankapobeny dia manodidina ny 1000 eo ho eo ny mpamonjy ny fitsangantsanganan’ny Fiangonana.

 Ny maha vavolombelona

Voambolana tena novoizina sy fotokevi-pitaizana nalaina tao amin’ny Soratra Masina tamin’ny andron’ny MpitandrinaAndriamanjato ny teny hoe «vavolombelona». Mandray roa ny hoe vavolombelona, dia ny ao anatin’ny Fiangonana, izany hoe, ny fifandraisan’ny kristiana samy kristiana, io ilay noresahina tetsy ambony hoe «koinonia»; ny ivelan’ny Fiangonana, izany hoe, ny fifandraisana amin’ny fiarahamonina. Ny Fiandraiketana ny Fifandraisana no misahana, araka izany, ny fifandraisan’ny Fiangonana Ambohitantely amin’ireo rafitra ao anatin’ny F.J.K.M., toy ny Synodamparitany, Faritra, Fiombonan’ny Fiangonana F.J.K.M. Antananarivo Renivohitra, ny 70 trano teo aloha, sns…. Izy ihany koa no manendry ny solontenam-piangonana mandeha mamonjy fankalazana maro samihafa andraisan’ny Fiangonana fanasàna. Fa ankoatra izay, araka izay efa natsidika tery aloha, dia mitaiza ny fiarahamonina amin’ny alàlan’ny tranokalam-pifandraisana sy ny gazety ihany koa ny Fiandraiketana ny Fifandraisana ho fijoroan’ny Fiangonana vavolombelona.

Comments are closed, but trackbacks and pingbacks are open.