Ity Fiandraiketana ity dia nataon’ny Mpihevidraharaha ho Fiandraiketana miara-miasa akaiky amin’ ny Mpitandrina eo amin’ny ara-panahy. Marina fa ny Fiandraiketana rehetra dia natao hiara-miasa amin’ny Mpitandrina avokoa, fa ny Ara-panahy dia azo lazaina ho manovo ny vina sy ny fanatanterahana ny asa mivantana aminy. Ny Mpitandrina mantsy no tompomarika voalohany amin’ny fahadiovan’ny fampianarana sy ny fitoriana ny Filazantsara atao eo anivon’ny Fitandremana.

Tao anatin’ireo taom-piasana telo nifanesy izay nibanjinana ny fijoroana ho vavolombelon’ny asa tsara, asa lehibe ary ny fitomboana, dia teza efatra lehibe no nizoran’ny Fiandraiketana ny Ara-panahy.

Ny fanatsarana ny fanompoam-pivavahana

Izany dia nisongadina tam in’ ny fanomezana andraikitra bebe kokoa ny vahoakan’Andriamanitra, ny fandaminana ny fanompoam-pivavahana mba hahatonga fifantohana sy filaminana; teo ihany koa ny fandaharana ny mpitoriteny, ny tomponandraikitra rehetra, ny hira, mba hifanitsy sy hifanaraka amin’ny voninahitr’Andriamanitra. Raha miteny hoe fanompoam-pivavahana koa anefa dia tsy ny Alahady ihany fa rehefa fanompoam-pivavahana karakarain’ny Fiangonana, hatramin’ny fotoan-dehibe io. Napetraka ny Fiandraiketana ny Ara-panahy no mandrindra ny fanompoam-pivavahana tanterahin’ny Fiangonana rehetra, toy ny herinandro masina, ny fetin’ny taranaka, ny andro fiakarana ary ny fotoana manokana manamarika ny fiainam-piangonana, toy ny fotoam-pankalazana, ny Alahadin’ny Mpitandrina, sy ny sisa… Tsara ny manamarika fa tamin’ny ankapobeny, afa-tsy tranga tsongaina manokana vitsivitsy, dia saika niröna sy nampifanaraka ny fitaizam-panahy niombonana tamin’ny F.J.K.M. ny Fiandraiketana ny Ara-panahy; tao anatin’izany ny fanajana ny Litorjia, ny loko litorjika, ny hira, sy ny sisa… Tsikelikely ny fiovana nentin’ny Fiandraiketana ny Ara-panahy saingy raha atao indray mijery dia dingana tsy hita avanavana no nataon’ny Fiangonana tao anatin’ny fanetren-tena nibanjinana ny fijoroana ho vavolombelona.

Ny fanofanana sy ny fampianarana

Notsindrian’ny Fiandraiketana ny Ara-panahy fa tsy ampy velively hanofanana ny olona amin’ny asa tsara, tsy ampy ihany koa hahatonga azy ho amin’ny fitomboana ara-panahy, ny fanompoam-pivavahana ny Alahady maraina na dia ivon’ny fitaizana aza izany; tsy maintsy eo koa ny fiofanana sy ny fampianarana atao any anivon’ny Sampana, eny hatrany an-tokantrano aza. Anankiray amin’izay lahatrasa nokendrena ny taona 2008-2011 teo anivon’ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo ny fahavitana mamaky ny Baiboly isan-tokantrano sy famporisihana ny fisian’ny fanompoam-pivavahana isantokantrano. Tao anatin’izany ny fanentanana maro samihafa momba ny maha zavadehibe ny fanambadiana sy ny fanamasinana ny fanambadiana ka nanaovana ireo mariazy miara-mizotra, ny fanentanana isan-tokantrano momba ny Batisa, sy ny sisa… Tao anatin’ izany koa ny famerenana ny fanofanana ny Mpandray ny Fanasan’ ny Tompo izay nosantarina teto Ambohitantely ka manomboka ho efa hita tsikelikely iainan’ny Fiangonana F.J.K.M..

Ny fanamafisana ny fiantsoana sy ny asa fanompoana manokana

Raha amin’ny maha Protestanta réformédia efatra ny karazam-panompoana eo anivon’ny Fiangonana, dia ny fanompoan’ny Mpitandrina, ny fanompoan’ny Mpampianatra (Teôlôjia), ny fanompoan’ny Loholonaary ny fanompoan’ny Diakona. Ireo no noheverin’ny Fiangonana réformée fa andraisana fiantsoana manokana. Noho ny fivoaran’ny fiainan’ny Fiangonana sy ny fitsokan’ny Fanahy anefa ka takin’ny fijoroana ho vavolombelona ankehitriny dia mahatsiaro ny Fiangonana fa tsy ireo ihany no fanompoana izay andraisana fiantsoana manokana, fa eo ihany koa ny fiantsoan’ny Mpiandry, ny Mpitoriteny, ny Katekista, ny mpitendry zavamaneno, ny mpitaiza tanora. Tsinjon’ny Fiandraiketana ny Ara-panahy àry fa zava-dehibe ireto fanompoana voalaza farany ireto, fa tsy hoe fanoloran-tena fotsiny ; tena fiantsoan’Andriamanitra mihitsy. Noho izany, nomeny toerana manokana mihitsy ny fiaraha-miasa amin’ ireo olona nandray fiantsoana manokana, koa saika mpikambana ao aminy avy hatrany izy ireny ka miara-miasa sady mpitarika mihitsy amin’ny asan’ny Fiandraiketana. Namporisihiny koa ny Fiangonana, na ireo olona izay nandray antso, mba hanoina izany antson’ Andriamanitra izany ka hanolotena ho amin’izany fanompoana manokana izany, toy ny fiofanana any amin’ny Sehatra Fanomanana Laika (SE.FA.LA.), Sehatra Tôlôjika ho an’ny Laika (SE.TE.LA.) ary ny Filiére Théologique pour les Laics (FI. THE.LA). Ireo sehatra ireo no loharano anovozan’ ireo nandray fiantsoana manokana ny fanofanana. Rehefa vita fiofanana kosa izy ireo dia mandrakariva miasa eo anivon’ny Fiandraiketana ny Ara-panahy. Ankehitriny, ohatra, dia natsangana ny Kilasin’ny Baiboly izay sehatra anofanana ny vahoakan’Andriamanitra ato anatin’ny Fiangonana isan’Alahady. Ary ireo izay nianatra tany amin’ny SE.FA.LA. na SE.TE.LA. na FI. THE. LA. no miahy azy sy manampy ny Mpitandrina amin’izany fiofanana izany.

Ny fivelarana ara-panahin’ny isambatan’olona

. Iretsy telo voalohany dia saika mahakasika ny asan’ny Fiangonana na ny fivelaran’ny Fiangonana ara-panahy amin’ny maha rafitra azy. Saingy banga ny fitaizam-panahy raha toa ka ny fivelaran’ny Fiangonana ihany no atao ivo sy tanjon’ny fitaizana. Manjary Fiangonana tia tena ara-panahy izy raha toa ka ny Fiangonana ihany no atao ho zava-dehibe (ecclésiocentrisme). Efa tsinjon’ny Fiandraiketana ny Ara-panahy hatry ny ela fa manimba ny Fiangonana ny fahabangan’ny fivelarana ara-panahin’ny isambatan’olona, koa dia nanao fandaharan’asa betsaka izy hoentina mampahery sy hoentina mampivelatra ny isambatan’olona hiatrehany ny fiainana andavanandro. Ity fampaherezana isambatan’olona sy isan-tokantrano ity dia tanjona lavitrezaka saingy natao ho vaindohan-draharaha aty nanokanana fotoana lava sy maharitra. Marina loatra fa na nisy aza ireo asa manokana natao ho tandrify azy, dia saika ny fampianarana rehetra sy ny fomba fiasa rehetra no natao ho fitaovana ihany koa ho amin’ny fampivelarana ny isambatan’olona amin’ny lafiny ara-panahy. Ny alimbavaka, ny fitsidihana tokantrano, ny fanofanana ny Mpandray, dia mandrakariva nampidiran’ny Fiandraiketana ny Ara-panahy izay fampaherezana sy fampivelarana ny isambatan’olona amin’ny lafiny ara-panahy izay, mba tsy hahatonga azy ho fiasan’ny Fiangonana ihany fa ho fiasan’ny tenany ny isambatan’olona ao amin’i Kristy. Ny tanjona mantsy dia tsy ny Fiangonana amin’ny maha rafitra azy ihany no vavolombelona fa ilay isambatan’olona mihitsy no Vavolombelona, ka na tsy hita eny aminy aza ny maha Fiangonana azy dia hita eny aminy kosa ny maha an’i Kristy azy.

Comments are closed, but trackbacks and pingbacks are open.