RAJOHARISON  RAZAFINJATOVO David

Loholona

Raha miresaka “Taranaka” isika dia mby ao an-tsaina avy hatrany ny fahatsiarovana ny “loharano nipoirana”, izany hoe ireo “razana” sy “razam-be” teo alohantsika, ka mandrakariva dia fahatsiarovana no sisa, ka ampitain’ireo ray aman-dreny mbola tsy very tadidy…Tamin’izany rahateo koa moa mbola tsy nisy ireo mety ho fitaovana maro samihafa nahazoana mirakitra ny tantaram-pianakaviana.  Saika ny lovan-tsofina sisa ,. na ny fitantaran’ireo ray aman-dreny “tapa porohana sisa tsy may” no ahafantaran’ireo zanaka aman-jafy mandimby ny tena (na ny mety ) ho tantara marina.

            Itantsika ao anaty ny Baiboly izany fitanisana ny firazanana izany, ka an’isan’izany ny Filazantsaran’i Matio ery am-piandohana, mitanisa amin’ny antsipirihany ny loharano nipoiran’i Kristy. Ny mahavariana dia tsy misy na iray aza mpahay tantara na mpamakafaka nilaza fa tsy mari-pototra io fitanisana ny loharano nipoiran’i Kristy io. Ny zava mahagaga faharoa dia ny isan’ireo “kristiana”, izany hoe ireo mpanara dia an’i Jesoa mandra-kankehitriny eran-tany, tsy mitsaha mitomba isa, na inona na inona mety ho voam-bolana enti-milaza izany.(manaiky an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy)

Eo akatoky ny fankalazana ny fetin’ny Krismasy isika izao, dia ny Zanak’Andriamanitra tonga nofo.”…mba tsy ho.very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay” 

             Mifanindra-dàlana amin’ny Fetin’ny Taranaka ankalazaintsika mpianakavin’ny finoana eto Ambohitantely izany.

Itantsika fa mety ho alevin’ny taona mifandimby ny  fahatsiarovana sy fahafantarana ireo “razam-be” nipoiran’ny taranaka , ka mety hivoana amin’ny tena marina izany aty aoriana! Izay tsy fahafantarana ny tena marina izay no miteraka fahadisoan-kevitra sy disadisa ary alahelo mandrakariva,. Izany hoe mety hisy ho tavela eo amaoron-dàlana na ery anjorom-bàla…

Ny marina  dia ny “Fiainana mandrakizay” ampanantenain’ny finoana an’i Kristy dia fiainana tsy voafehin’ny tantara sy ny taona mifandimby ary ny fitsinjarana noforonint-sika zanak’ olom-belona. Ny hany ilaina (fe-petra) dia ny fananana ny finoana Azy. Andriamanitra ho setrin’ny fitiavany antsika.

Amin’izao fetin’ny Taranaka Ankalazaina eto Ambohitantely izao ary, ary mba tsy zary ho fahazarana fosiny ihany, dia tokony hanontany tena ny tsirairay amin’ny lanjan’ny Finoana ananantsika sy  iainantsika amin’ny isan’androntsika.

Na eo an’ivony fianakaviana, na eny amin’ny fiaraha-monina, moa ita soritra eny amin’ny fihetsika sy ny fisainana asehontsika ve fa tena manam-Pinoana tokoa isika? Ny fahasamihafana ita taratra eny an’ivon’ny fiaraha monina eny ve tena mampisaraka sa ho enti mampandroso antsika bebe kokoa amin’ny fanarahana an’i Kristy amin’ny alàlan’ny fifankatiavana sy ny fifandeferana?

Ny  hahatongavantsika amin’izany tanjona izany dia tsy misy hafa tsy avy amin’ny alàlan’ny Fahasoavana avy amin’Andriamanitra, ny Asan’ny Jesoa ato anatintsika, ary ny fanavaozana anaty avy amin’ny Fanahy Masina.

Mirary koa raha mirary fetin’ny Taranaka anjakan’ny fifankatiavana sy ny fitoniana ary ny fanantenana ho an’ny rehetra. Izy Andriamanitra anie mbola hiaro antsika zanany amin’ny loza rehetra sy ny zava manahirana izay mety hampisaraka antsika Aminy…

            Dia ho Azy Andriamanitra irery ihany ny voninahitra!

SARY NANDRITRA NY FETIN'NY TARANAKA

aLATSINAINY 30 nOVAMBRA

talata 01 desambra

aLAkamisy 03 desaMBRA

zoma 04 desaMBRA

FOTOAM-PIVAVAHANA

FAMERENANA FETIN'NY TARANAKA

FANENTANANA SAMY HAFA