Ny Loholona sy Diakona no mpiara-miasa voalohany amin’ny Mpitandrina amin’ny fiandrasana ny ondrin’Andriamanitra. Antoky ny fahombiazan’ny fiandrasana ny ondrin’Andriamanitra, araka izany, izy ireo. Fiantsoana manokana mihitsy hatrany amin’ny andron’ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao ny maha Loholona sy ny maha Diakona. Ny Fiandraiketana ny Loholona sy ny Diakona no rafitra ijoroan’ny fandaminana ny asa pastoraly rehetra. Tao anatin’izay taom-piasana vitsivitsy voalaza tetsy aloha izay dia betsaka ny zava-baovao nentin’ity Fiandraiketana ity.
Teza efatra lehibe ihany koa no nizoran’ny asany tao anatin’izay taom-piasana nibanjinana ny asa tsara, ny asa lehibe ary ny fitomboana izay.
Ny filaminana
Ny Diakona no tompomarika sady manao voady hiantoka ny filaminan’ny Fiangonana. Ny atao hoefilaminana eto dia tsy eo amin’ny lafiny fanompoam-pivavahana ihany fa eo amin’ny fomba fiasa sy eo amin’ny fandaminan-draharaha mihitsy. Teo amin’ny lafiny fandaminana ny fanompoampivavahana dia voatsinjara ho Antoko hatramin’ny telo ny Loholona sy ny Diakona’ dia ny Finoana, ny Fanantenana aty ny Fitiavana izay mifandimby miasa isam-bolana. Mialoha ny fanompoana isam-bolana dia manao ny fandaminana ny isan’Antoko ka mamaritra dieny mialoha ireo asa miandry mandritra ny iray volana, araka izay azo atao. Toy ny fandaminana ny fanompoam-pivavahana ny Alahady maraina: mitanty rakitra, mamaky teny, mampandray, misolo tena amin’ny fivoriana any amin’ny Foibe, ny Synodamparitany, ny Faritra, manatitra tsodrano, manao ny famangiana marary, sy ny sisa… Renifiangonana sady zoky ara-panahy ny Fiangonana Ambohitantely ka mandrakariva dia môdely alain-tahaka izy, hany ka nataon ‘ny Fiandraiketana ny Loholona sy ny Diakona ho zava-dehibe ny filaminana mba ho fijoroana ho vavolombelona. Mahasarotiny dia mahasarotiny mihitsy ny Fiandraiketana ny fahanginana ao ampiangonana, ny filaminana amin’ny fanompoam-pivavahana, ny fanamafisam-peo, ny fahadiovan’ny fitaovana ampiasaina, eny hatramin’ny fahadiovan’ny Fiangonana sy ny manodidina aza. Manana ny fotoam-piofanany ny Fiandraiketana ary mandrakariva isaky ny fotoam-piofanana dia misy topimaso ny amin’izay Loholona sy Diakona mikendry ny filaminan’ny Fiangonana izay.
Ny fanangonana sy fampaherezana
Raha miteny hoe fanangonana isika eto dia ny asan’i Kristy mihitsy amin’ny maha Mpiandry ondry AZY no ankininy amin’ny Loholona sy ny Diakona, izany hoe, ny fanangonana ny vahoakan’Andriamanitra ao anaty vala iray sy fampaherezana azy manoloana ny ady sarotra atrehiny. Tsorina fa ity asa ity no tena nivaingana indrindra ary nahafantarana ny Fiangonana Ambohitantely amin’ny maha Ambohitantely azy. Ireto asa telo ireto no fitaovam-piasana nampiasain’ny Loholona sy ny Diakona. Ny voalohany dia ny famangiana isan-tokantrano (visite pastorale). Isan-kerinandro ny Fiangonana Ambohitantely, amin’ny alalan’ny Loholona sy ny Diakona, dia mitsidika ny tokantrano rehetra ato anatin’ny Fiangonana tsy misy ankanavaka, eny, hatramin’ny zanaka am-pielezana aza. Ity taom-piasana ankehitriny ity dia efa fihodinana faharoa amin’ny famangiana. Tany amin’ny fihodinana voalohany dia niainga isam-paritra ny famangiana (afovoany, atsinanana, atsimo, andrefana). Fa ankehitriny kosa dia isaky ny Zanaparitra. Mahatratra 500 mahery ny isan’ny tokantrano ato amin’ny Fiangonana Ambohitantely. Noho izany dia eo amin’ny telo na efataona eo ho eo vao vita ny fihodinana iray amin’ny famanginana. Noho ny fandaminana voarindra tsara eo anivon’ny Fiandraiketana ny Loholona sy ny Diakona, dia manodidina ny 20 isankerinandro ny mpamangy. Amin’ny ankapobeny dia isaky ny Alarobia ny famangiana. Ao anatin’ireny famangiana isan-tokantrano ireny no ampaherezan’ny Loholona sy ny Diakona, miaraka anlin’ny Mpitandrina, ny vahoakan’Andriamanitra any antokantrano. Tsy fanentanana velively amin’ny asa mihitsy ny famangiana atao fa vavaka sy fampaherezana. Ny mpanentam-paritra no manao fanentanana amin’ny asa amin’ny famangiana isan-tokantrano raha ilaina. Ny fanangonana sy fampaherezana faharoa dia ny fampandraisana isam-bolana sy ny fanaterana tsodrano. Tsy tapaka isam-bolana, fa toy ny asa andavanandron’ny Loholona sy ny Diakona, ny fanaterana fandraisana ho an’ireo tsy salama sy ireo zokiolona tsy afaka miaraka amin’ny Fiangonana sy miombon-databatra amin’ny Tompo, ny Alahady fandraisana. Isan-kerinandro, dia indreny ny Diakona manao andiany mitety an’Antananarivo, mitety hôpitaly mamangy ny zanaky ny Fiangonana tra-pahasahiranana noho ny tsy fahasalamana na noho ny fahosana.
Tsy latsaka ny 15 ny manao ity famangiana ity. Rehefa misy mariazy, dia manatitra tsodrano ihany koa izy ireo. Ny karazam-pamangiana fahatelo dia ny famangiana manjo. Tsotra ny fomba fijerin ‘ny Fiangonana Ambohitantely, tsy tahaka ny Fiangonana hafa: adidin’ny Fiangonana sy asa anirahana azy ny mampahery, araka ny Tenin’ny Soratra Masina hoe “miaraha ory amin’izay ory“; noho izany, izay rehetra manampahoriana ato amin’ny Fiangonana Ambohitantely ka mahatonga filazana, na an-tsoratra na am-bava, dia ezahin’ny Fiangonana, araka izay azony atao, ny mamangy azy. Noho ny hafenoan-drano matetika, na eo aza ny fifampitondrana, dia antomotra ny fotoana anaovan’ny Loholona sy ny Diakona ny fampilazana. Kanefa tsy manakana velively ny fahavitrihan’ny mpamangy amin’ny fampaherezana izany. Misy fotoana mahatratra hatramin’ny 70 ny mpamangy fa tsy latsaka kosa amin’ny ny 20 amin’ny ankapobeny.
Ny fahamasinana
Fahamasinana amin ‘ny heviny ara-bakiteny sy fahamasinana amin’ny heviny malalaka no tiana horesahina eto. Voalohany, ny hevitry ny hoefahamasinana novoizin’ny Fiandraiketana ny Loholona sy ny Diakona dia ny fahamasinan’Andriamanitra izay tarafina amin’ny fahamasinan’ny Fiangonana sy ny asa ataon’ny Fiangonana. Notandrovin’ny Loholona sy ny Diakona mihitsy ilay hafatr’Andriamanitra ao amin’ny bokin’ny Levitikosy manao hoe “Aoka ho masina ianareo satria masina Aho” (Lev. 19:2). Koa raha notsindriana mafy ny hoe filaminana dia tsy filaminana fe filaminana fa filaminana mifanindran-dàlana amin ‘ ny fahamasinana. Tsy filaminana mifanohitra amin’ny korontana fotsiny fa filaminana miara-dàlana amin’ny fahamasinana. Niezahan’ny Loholona sy ny Diakona ny nandamina ny fanompoam-pivavahana mba hifanaraka amin’ny fahamasinan’Andriamanitra sy ny fahamasinan’ny fiantsoana ny Loholona sy ny Diakona. Niteraka adihevitra betsaka tany am-piandohana ity tezan’ny fahamasinana ity, satria nanova zavatra betsaka teo amin’izay nahazatra. Saingy miandalana kosa ny nahatsapan’ny Fiangonana fa tsy afa-misaraka amin’ny fanompoana an’Andriamanitra ny fahamasinana. Tsy teo amin’ny votoatin’ny fanompoam-pivavahana ihany no niezahana hampiharihary izay fahamasinan’Andriamanitra izay fa teo amin’ny fomba fiasa koa.
Napetraky ny Loholona sy ny Diakona fa ny fivoriana rehetra mahakasika ny fiainan’ny Fiangonana dia fivoriana masina ka anarahana izay takin’ ny Soratra Masinasy ny fomban’ny Fiangonana ny fitondrana azy, toy ny fisian’ny fanornpoam-pivavahana aloha sy aorian’ny fivoriana, ny toe-tsaina enti-miatrika ny fivoriana, ny fanentanana ao anatin’ny fivoriana, eny, hatramin’ny fiaraha-misakafo aza. Faharoa, nikendren’ny Loholona sy ny Diakona ny hahatratra ny fiainam-piangonana sy ny fifandraisana ato anatin’ny Fiangonana ity vina ity, ka ny fanentanana momba ny fanajana ny fahamaotinana eo amin’ny fomba fitafy, ny taovolo na ny zavatra madinika tahaka izany no itarafana fa sarobidy ity vina fijoroana ho vavolombelona eo amin’ny Loholona sy ny Diakona ao anatin’ny fahamasinan’ny Fiangonana sy ny vahoakan’Andriamanitra ity. Rahajerena amin’ny heviny malalaka kosa ny fampiharana azy dia midika ho fiavahana amin’izao tontolo izao. Ity faharoa ity no nivoizana ny hoe: ny Fiangonana dia fanasina eo anivon’ny fiarahamonina misy azy ka amin’izay asa fijoroana ho vavolombelon’ny Fiangonana izay dia tokony ho hita ny fahamasinany. Manana sampan-draharaha manokana ny Mpihevidraharahan’ny Fiangonana izay manao izany asa fijoroana ho vavolombelona eo amin’ny fiarahamonina izany, dia ny Fiandraiketana ny Sôsialy, ka voiziny ao anatin’io asa io izany toe-tsaina mijoro ho vavolombelona ao anatin’ny fahamasinam-piainana izany.
Comments are closed, but trackbacks and pingbacks are open.