Tany aloha, ity Fiandraiketana ity dia nirafitra ho Fiandraiketana iray ihany tamin’ny Fandraharahana, saingy noho ny vina vaovao ho fanomezan-toerana ny asa sy ny fitomboana, dia niitatra ny asa ka natao ho Fiandraiketana manokana izy. Ity dia isan’ny Fiandraiketana lehibe, satria misahana ny asan’ny Sampana rehetra ka mampivondrona mpikambana mihoatra ny 700. Ity koa no asa sarotra indrindra satria sady fitaizana sy fanolokoloana ny fiainam-panahy izy io no fitaovam-piasan’ny Fiangonana. Ny Fiandraiketana mantsy dia natao ho rafitra hamolavola sy hanatanteraka ny vinan’ny Fiangonana. Ny hevitr’izany dia atrikasa mandrakariva no eo anivon’ny Fiandraiketana. Tsy mora ny fanatanterahana an’ izany eo anivon’ny Fiandraiketana ny Sampana sy ny Sampan’Asa ary Asa, satria ny maha izy azy ny Sampana,.voalohany indrindra, dia Fikambanana natao hitaiza sy hanolokolo. Hany ka ny fametrahana azy ho rafitra itakiana asa dia mandrakariva tsy miara-dàlana amin’izany fanolokoloana izany. Eo amin’ io fampifanindran-dàlana ny rafitra mpitaiza sy mpanabe sy ny rafitra miasa eo anivon’ny Fiangonana io no tena mampanano-sarotra. Ho an’ny Fiangonan-dehibe, tahaka ny Fiangonana Ambohitantely, dia tsy azo avela fotsiny ho rafitra mpanolokolo sy mpitaiza ny mpikambana ao anatin’ny Sampana izy fa tsy maintsy tezaina koa ho fikambanana miasa sady fitaovam-piasana miasa ao anatin’ny Fiangonana, tahaka ny Loholona sy ny Diakona, amin’ny asa izay tanterahina. Marina loatra fa tsy mitovy hery ny Sampana rehetra ao anatin’ny Fiangonana, saingy izay fanambin’ny fanolokoloana sy ny fitaizana miaraka amin’ny asa izay no nataon’ny Fiandraiketana ny Sampana sy ny Sampan’Asa ho laharam-pahamehana.
Lafiny telo lehibe no efa natomboka tao anatin’ny taona vitsivitsy izay:
- ny voalohany dia fitaizana sy fanolokoloana mifanindran-dàlana amin’ny maha F.J.K.M.;
- ny faharoa dia Sampana mitory ny Filazantsara;
- ny fahatelo dia fanaovana ho zava-dehibe ny fitaizana tanora.
Fijoroana ho vavolombelona isan’ny nampiavaka ny Fiangonana Ambohitantely ny fananany ireo Sampana sy Fikambanana tsy hita any amin’ny Fiangonana hafa, toy ny Fikambanan’ny Raiamandreny Kristiana (F.R.K.), ny Zanaky ny Fikambanan’ny Raiamandreny Kristiana (Z.F.R.K.), ny Tokantrano Tanora Kristiana (T.T.K.), rantsana Dihy Tantely. Tsy fitiavana te hiavaka tsy akory no antony nananganana azy ireny fa notakin’ny fijoroana ho vavolombelona tamin’ny fotoan’andro. Tato anatin’ny taona vitsivitsy kosa, dia nihevitra ny Fiandraiketana ny Sampana sy ny Sampan’ Asa ary Asa fa mety ny mampifanindran-dàlana ny vinam-pitaizana ny Sampana ato anatin’ny Fiangonana amin’ny F.J.K.M. satria sady mitory fiombonana no taratry ny fanajana fandaminana izany.
Niezahan’ity Fiandraiketana ity natsangana àry ireo Sampana tsy mbola nisy tato anatin’ny Fiangonana Ambohitantely, izay vokatry ny hetahetan’ny Fiangonana rahateo. Natsangana ny Sampan’Asa Asa Fitoriana ny Filazantsara (A.F.F.), ny Sampana Lehilahy Kristiana (S.L.K.), ny Vokovoko Manga (Tehina Manga), ny Sampana Tanora Kristiana (S.T.K.)9 nohamafisina sy nampiroboroboina ny Sampana Fifohazana ary eo ampananganana ny Vondrona Fototra Laika (V.F.L.). Ny Dorkasy sy ny Sekoly Alahady ary ny Sampana Mpanazava sy Tily (SAMPATI) dia efa nanana ny maha izy azy nandritra ny taona maro. Ny Fikambanana tahaka ny Chorale Maintimolaly Ambohitantely (C.M.A) sy ny Chorale Ambohitantely (C.A.), na dia tsy Sampana velona ao anatin’ F.J.K.M aza dia saika hita isaky ny Fitandremana rehetra, koa dia tsy nampananosarotra velively ny fitaizam-panahy sy ny fijoroana ho vavolombelona tanterahin’izy ireny. Notakina ny hanajan’ny Sampana ny fandaminan’ny Foibe F.J.K.M., toy ny fanajana ny Alahadin’ny Sampana, ny fandaharana iombonana, ny famonjena ny Fihaonambe, ny Fivoriambe, ny Faritra, ny Synodamparitany, sy ny sisa… mba hahafahana mampi fandray ny fitaizana eto anivon’ny Fitandremana sy izay lamina apetraky ny Foibe. HO an’ireo sampana izay tsy misy eo anivon’ny Foibe kosa, dia manaraka ny fandaminana apetraky ny Fiandraiketana izy ireo fa tsy velon-ko an’ny tenany ihany akory.
Marina fa misy ny Sampan’Asa A.F.F. izay fitaovam-piasan’ny Fiangonana amin’ny fitoriana ny Filazantsara, saingy tsapan’ny Fiandraiketana ny Sampana sy ny Sampan’Asa ary Asa fa banga ny fijoroana ho vavolombelon’ny Sampana raha tsy misy fitoriana ny Filazantsara. Ny Sampana tsirairay mantsy dia samy manana izay maha izy azy, tsy arakaraka ny sokajin-taona sahaniny ihany (ankizy, tanora, olondehibe), na arakaraka ny sokajin’olona (lehilahy, vehivavy) fa arakaraka ny talenta sy ny fanomezam-pahasoavana indrindra koa (hira, dihy, fanatanjahan-tena, sy ny sisa). Ny fampiasana ny maha izy azy ny Sampana ho fitoriana ny Filazantsara dia natao ho laharam-pahamehana, toy ny hoe isaky ny Tafika Masina na lasy ataon’ny Sampana dia misy ny fitoriana ny Filazantsara manokana ampiasana izay maha izy azy ny Sampana: ny Dorkasy dia mitory ny Filazantsara amin’ny vehivavy any am-panaovana Tafika Masina; tahaka izany koa ny S.L.K. mitory amin’ny lehilahy, ny Z.F.R.K. mampita ny Filazantsara amin’ny alalan’ny kolontsaina maha Malagasy, ny S.T.K. mampita ny Filazantsara amin’ny alalan’ny fanatanjahantena na ny dihy na ny fampandrosoana, ny T.T.K. mitory any anivon’ny tokantrano, ny F.R.K. dia tahaka izany ihany koa, ny Sampana mitaiza tanora sy ny zatovo toy ny Sekoly Alahady, ny SA.MPA.TI. dia mitodika manokana amin’ny fitoriana amin’ny ankizy sy ny tanora; ny Tehina Manga dia mampiasa ny talentany mba hisakanana ny fihitaran’ny zava-mahadomelina sy miaro ny tanora tsy ho latsaka ao anatin’izany.
Na ahoana na ahoana anefa, dia misy ireo sokajin-taona sy sokajin’olona izay ilaina harovana manokana na ilaina hoamafisina manokana ny fijoroana vavolombelona eo aminy noho ny zava-misy ankehitriny eo amin’ny Iafiny fitaizana. Ny ankizy sy ny tanora dia isan’ireo izay nataon’ny F.2S.A. laharam-pahamehana ny fitaizana azy. TSY hoe satria hoavin’ny Fiangonana ihany izy ireo fa izy ireo no sokajin’olona mora tohina indrindra ary mety ho mora mianjera indrindra noho ny habetsaky ny fakamPanahy entin’ny fanatontoloana sy ny fiovana ankehitriny. TSY hoe fampandeferana ny Sokajin-taona hafa tsy akory no hevitr’izany fa fanaovana ho zava-dehibe kokoa ny fanabeazana ny tanora. Betsaka ireo asa vaovao nentin’ity Fiandraiketana ity tao anatin’ny taona vitsy nibanjinana izany tany anivon’ny isan-tSampana mitaiza tanora. Niainga mandrakariva tamin’izay nahaliana ny tanora no nitarihana azy. Tao ny hetsika ara-panatanjahan-tena, toy ny Telo Bemiray ny taona 2003, ny Bemiray ny taona 2013 izay nandraisan’ny tanora anjara mavitrika. Ny fihaonambe isan-taona, ny fitsangantsanganana izay namporisihana ny firotsahan’izy ireo an-tsehatra, sy ny sisa…
Comments are closed, but trackbacks and pingbacks are open.