Ny taom-bolafotsin ‘ny Fiangonana Ambohitantely
Ao anatin’ity vanim-potoana ity no miditra amin’ny taom-bolafotsy na ny famirapiratana voalohany ny Fiangonana Ambohitantely. Hanitsaka ny taom-bolafotsy na ny 25 taona no mihoatra izy manomboka ny andron’Andrianony Mpitandrina. Vanim-potoana izay nidirany lalina tao anatin’ny maha Renifiangonana sy maha Fiangonan-dehibe azy. Vanim-potoana ihany koa izay nijoroany vavolombelona ny amin’ny maha Fiangonana mitaiza vahoaka protestanta azy. Nanomboka ny taona 1872 ka hatramin’ny taona 1895 no nitandreman’ Andrianony ny Fiangonana Ambohitantely, izany hoe, mialoha kely ny nidiran’ny Filazantsara ary nandimby azy kosa Rasoamanana Franck hatramin’ny taona 1905. Toy izao raha fintinina ny fiainam-piangonana tamin’ity vanim-potoana famirapiratan’ny taom-bolafotsy ity. Mialoha izany anefa dia hojerentsika ny mombamomba ity Mpitandrina Andrianony ity.
ANDRIANONY, MPITANDRINA VITA FIANARANA
Loharano nipoiran ‘Andrianony sy ny taranany
Andrianony dia zafiafin’Andrianony mpanolotsainan’Andrianampoinimerina ary zanaky Razokinimangetrika (Ramarofahatra). Tamin’ny taona 1830 izy no teraka. Araka ny tetiarana hita etsy ambany dia iray fototra amin’i Rainitrena Mpitandrina nodimbiasany teto Ambohitantely ihany izy ; araka izany, dia avy amin’ny fokon’ny Zanakandrianato avy eny Ambohibemasoandro.
Enina ny zanak’Andrianony tamin-dRatavy vadiny, dia Ramaorina, Rabenja, Raonivelo, Ramiato, Raonjanahary ary Ravelonony. Ny zanany vavimatoa Ramaorina ( 1857-1892) dia vadin’lngahy Ramboatiana mpamoron-kira, sady lehiben’ny mpihiran’ny Mpanjaka, ka nahatonga ireo hiran-dRamboatiana maro mbola hirain’ny Fiangonana Ambohitantely mandraka ankehitriny, toy ny “Aza matahotra”, “Jereonareo”, . . .. Rehefa maty vady Andriamifidy Mpitandrina tao Ambonin’Ampamarinana (1898-1922) sady isan’ny Valotoko (minisitra) tamin’ny governemantan-dRainilaiarivony, dia nampakatra an-dRaonivelo vaviaivon’Andrianony ho vadiny izy.
Ny fiantsoana sy ny fiomanany ho Mpitandrina
Nipoitra avy amin’ ny fianakaviana kristiana sady taranaky ny maritiora Andrianony. Ary hatry ny fahatanorany no efa tao aminy ny hetaheta ho tonga Mpitoriteny. Nianatra tao amin’ny Sekolin’i Sewell tao Ambohijatovo atsimo izy (Vohipiraisana ankehitriny) ; ary tao no nanapahany hevitra handeha lavitra kokoa amin’ny fandalinana ny SoratraMasina sy ny Filazantsara. Isan’ireo tanora liana tamin’ny toriteny tao anivon’ny LMSizy. Ampolony maro ireo tanora iray tarika taminy izay efa nitoriteny tao anatin’ny Fiangonana nisy azy avy. Tsinjon’ny misionera LMS ary fa betsaka ny Mpitoriteny sy te hitoriteny tao anatin’ny Fiangonana malagasy kanefa mbola ambany dia ambany ny fahalalany ny teölojia sy ny Soratra Masina, koa dia nanapa-kevitra izy ireo rehefa nifampiera tamin-dRainilaiarivony, fa hanokatra Sekoly ho an’ny Mpitoriteny, ka ireo efa tena amperinasa aloha no omanina mba hifanaraka amin’ny fanahin’ ny Filazantsara ny toriteny fa tsy hifangaro amin’ny kabary ; ny 06 Aprily 1869 no nosokafana tao Avaratr’Andohalo, tsy lavitra an’ Ambohimanoro, ny Sekolin’ny Mpitoriteny izay fototra niavian’ny Kôlejin’ny LMS. Isan’ireo 35 voalohany nanovo fahalalana tao amin’io Sekolin’ny Mpitoriteny na Kôlejy voalohany io Andrianony. Noho ny fahavitsian’ny misionera, dia fohy ny fotoana nianarana ka tany am-boalohany dia nokasaina ho isa-maraina, inefatra isan-kerinandro ary nandritra ny enimbolana, kinanjo niitatra ka nahatratra hatrany amin’ny telo taona ny fiofanana. Ny 11 jona 1872 no nahavita ny fianarany ary navoaka ho Mpitandrina natrehin’ny Praiministra ny 24 Desambra 1873 Andrianony. Tato aoriana dia niitatra sy nihatsara io Kôlejy io ary nanome ny antsoina hoe LMS College, izay toeram-pampianarana ambony nanofana ny Mpitandrina sy ny Mpitondra fanjakana (Sekolary) tao amin’ny fanjakan-dRainilaiarivony. Isan’izay nanovo fahalalana tao anatin’izany Kölejy ambony izany, tahaka an ‘ Andrianai voravelona sy Andriam ifidy ihany koa Andrianony. Nizara ho roa ny lalam-piofanana tao amin’io LMS College tao Faravohitra io, dia ny nanomana ireo ho Evanjelisitra, na ho Mpitondra fivavahana, ary nisy kosa ny nanomana ireo ho Governora na ho Mpiandraiki-draharaha ambony tao amin’ny fanjakana. Andrianony dia nifidy ny hijanona ho Mpitondra Fivavahana. Nisy mantsy ireo izay notendren-dRainilaiarivony hitondra andraikitra ambony toa an-dRainandriamampandry, Ratsiarovana, sns… fa Andrianony kosa dia nankamamy ny fiantsoana maha Mpitandrina teo anivon’ny Fiangonana, ary nijanona tao anatin’izany sehatry ny fitondram-piangonana izany mandra-pahafatiny. Nisokatra tamin’ny karazam-pahalalana maro ny mpianatra tao amin’ny LMS College. Ankoatra ny fianarana teôlojia ka nianarana ny teôlojia biblika, hermeonetika, tantaram-piangonana, ny Soratra Masina, dia teo koa ny siansa toy ny lôjika, fizika sy ny simia, ny marika, ny astronomia, sns… tsy mahagaga raha toa ka nanana saina tia karokaroka ny mpianatra tao ka isan’izay nanana izany toe-tsaina izany ihany koa Andrianony. Araka ny voalazan’ny tantara dia voakaikitry ny alika romotra ny zanany iray, ary noho ny alahelony an-janany dia nikaroka ny fanafody ody haromotana izy ka nahavonjena ain’olona maro izany ; nefa indrisy fa tsy voatanany ny azy talohan’ny nahafatesany.
ANDRIANONY SY NY FIANGONANA AMBOHITANTELY
Ny fitaizam-panahy
Ny fahalalahana ara-pivavahana nanomboka ny taona 1861 dia nanova miandajana ny fiarahamonina sy ny fiainam-piangonana. Nandritra ny fotoanan’ny fanenjehana dia niharihary ny fifandonan’ny fivavahana sy ny kolontsaina nentirn-paharazana malagasy. Izay rahateo no fototra lehibe niteraka ny fanenjehana. Manomboka aty amin’ny taona 1863 kosa dia hifanindran-dalana ny kolontsaina nentim-paharazana sy ny fivavahana kristiana. Hihamahazo vahana ao anatin’io fivavahana kristiana io aza ny fomba nentim-paharazana sasany. Tsinjon’ny misionera LMS avy hatrany ity fivelaran’ny kolontsaina nentim-paharazana tao anatin’ny fivavahana kristiana ity ka nahatonga azy ireo nandray fepetra hamefy ny maha Malagasy tsy hifangaro amin’ny fivavahana kristiana. Noheverin’ireo misionera fa loza mitatao ho an’ny fivavahana kristiana ny ankabeazan’ny fomba nentim-paharazana malagasy. Raha teo amin’ny lafin’ny toriteny ohatra no jerena, teo anelanelan’ny taona 1863 ka hatramin’ny 1868 teo ho eo, dia tena mbola tsy ampy ny boky voasoratry ny misionera, ary saika nifanakaiky mihitsy ny toriteny sy ny kabary. Hoy ny fitantaran’lngahy Rainitovo ao amin’ny Fanilon’ny tanora tamin’ny martsa 1829 : « misy karazana toriteny telo fanao tamin’io vanim-potoana io : voalohany dia ny “toriteny variraraka” izay tsy misy lohahevitra, tsy misy drafitra fa miresaka ankapobeny, tsy latsa-paka ; ny faharoa dia ny “toriteny ravinteny” izay be ohabolana sy ohapitenenana fa malalaka ihany koa ; ary ny fahatelo dia ny “toriteny besira” izay manaitra ny fo, mikendry izay hampihetsika ny mpihaino, ary mandrakariva ny mpihaino aza dia manaraka amin’ny hoe tsss… tsss… », na koa manao hoe « humm… humm… ». Ny toe-javatra tahaka izany no nanosika ny misionera tsy maintsy nanangana ny Kôlejy hanofanana ny mpitoriteny, indrindra ireo efa amperinasa. Ny Lohavolana izay fihaonan’ny Fiangonana maromaro mifanakaiky toerana efa hatramin’ny taona 1863 dia saika nahitana izanY fampifaninanana mpitoriteny tahaka ny fampifaninana kabary izany. Ary rehefa Vita ny toriteny dia miditra indray ny fampifaninanan-kira ataon’ny isam-pitandremana ; ary mihoraka ny mpiangona aorian’ny fotoana manao hoe « tsy mahaleo ny anay e ! »Ity vanim-potoana fohy ity, araka izany, dia nomarihin’ny fivelaran’ny kolontsainamalagasy tao anatin’ny fivavahana kristiana. Nanom boka ny taona 1870 dia ho hentitrany misionera ka nampianatra ny mpitoriteny fa ny toriteny dia Tenin’Andriamantraary ny fanompoam-pivavahana dia fiderana an’ Andriamanitra.
Tao anatin’izany rivo-pivoarana izany no niditra tao anatin’ny Fiangonana Ambohitantely Andrianony, ary nitondra izany rivo-baovaon’ny Filazantsara izany izay nampangetaheta ny olona hatry ny tany amin’ny vanim-potoanan’ny fanenjehana. Lehilahy nahay nikabary sady havanana tamin’ny fitenenana Andrianony kanefa nahafehy tsara ny Soratra Masina sy ny hevi-baventy ny amin’ny teôlôjia, koa dia tsy nanahirana azy ny nampifanindrandàlana ny fo malagasy sy ny fivavahana kristiana. Nialany tamin’ny fampianarana rehetra nataony tao anatin’ny Fiangonana ny toriteny sy ny fampianarana tsy miainga amin’ny Tenin’Andriamanitra, kanefa nohazoniny kosa ny fanomezana aina ny toriteny tamin’ny alalan’ny teny Malagasy. Mbola vitsy tamin’izany fotoana izany ny Mpitandrina nahafehy izany haifiteny izany. Izy rahateo dia novolavolain’ny Rév. Toy misionera LMS sy Rev. G. Cousins mpampianatra teölöjia voalohany tonga teto Madagasikara. Tamin’ny dian’ny Rév. Toy voalohany taty no efa nampianatra an’Andrianony izy (1869-1870). Ary tamin’ny fiverenany fanindroany (1873-1879) dia mbola nifanerasera sy nianatra taminy ihany izy.
Tahaka izany koa i Cousins, ny taona 1869 ka hatramin’ny 1874, no tena nanofanany an’Andrianony niaraka tamin ‘ny tovolahy maromaro teto Imerina.
Tsara ny manamarika fa ireo teôlôjianin’ny LMS efatra voalohany nampianatra tao amin’ny Kôlejy dia saika sakaizan’Andrianony sy nanofana azy avokoa dia ny Rév. TOY, araka ny voalaza etsy ambony, ny Rév. T. Capsey nampiantra tao amin’ny Kôlejy, ny taona 1881 ka hatramin’ny 1885, ny Rév. A. Wilson teo anelanelan’ny 1886-1892, ary i Kaozina Zokiny na ny Rév. M.G. Cousins niasa teto ny taona 1869 ka hatraty ambadiky ny taona 1925.
Noho io fanomezam-pahasoavana an’Andrianony teo amin’ny haifiteny sy ny fifehezana ny Soratra Masina io no nahatonga azy ho isan’ ireo Mpitandrina ngezalahy nandray anjara tamin’ ny fitaizam-panahy ny mpanjaka Ranavalona II sy ny Praiministra ary ireo Olona ambony tao Anatirova, nifanampy tamin’Andriambelo Mpitandrina, Andrianaivoravelona Mpitandrina, Rainimanga Rahanamy Mpitandrina. Isan’Alahady mantsy dia nisy fanompoam-pivavahana tao Anatirova. Talohan’ny nahavitan’ny Fiangonana Anatirova dia tao Manampisoa (Rova natsangan-dRasoherina) no nanaovan-dRanavalona II izany fanompoam-pivavahana izany vantany vao nanambara ampahibemaso ny maha kristiana azy izy. Maraina sy hariva ny fanompoam-pivavahana tao Anatirova, ka mandrakariva dia isaky ny Alahady harivan’ny Fandraisana dia anjaran’Andrianony ny mitondra fampianarana na toriteny.
-Alahady ny 6 Aogositra. 25 Asorotany 1893:
Niangona tao am-piangonana ny Mpanjaka sy ny Praiminisitra. Andriambelo sy Rainibao no nitory ny maraina. Natao batisa ny zana-dRalaitafika. Ary J. Andrianaivo sy ANDRIANONY no nitory ny hariva (cf Diary…….. 1893 p. 13v) Ireto lafin-javatra efatra ireto no azo lazaina ho nanamarika ny fitaizampanahy nataon’Andrianony tato amin’ny Fiangonana Ambohitantely. Voalohany dia fitiavana ny Soratra Masina. Faharoa dia ny fandraisana andraikitra. Tamin’ny fampianaran’Andrianony mantsy dia zava-dehibe ny anjara toeran’ny kristiana ao amin’ny fiarahamonina fa natao hanova zavatra sy hitondra zava-baovao fa tsy miandr toloram-potsiny, sahy mandray andraikitra. Fahatelo, ny fanajana ny soatoavina ananan•ny tena. Ary fahefatra, ny fitiavan-tanindrazana.
Ny toe-tsaina maha Frenjy
Nanomboka ny taona 1872 no nitandreman’Andrianony an’ Ambohitantely rehefa lany eran’ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo. Io vanim-potoana io no nitokanana ny fanitarana ny trano fiangonana vaovao nikelezan’ Andriamahery sy Rainitrena aina fatratra sy tena niantombohan’ny fiaraha-miasan’ny Fiangonana Ambohitantely sy ny FFMA. Raha miteny eto hoe Ambohitantely dia izy sy ny zana-piangonana maro niadidiany : Anosizato, Tangaina, Ambohimandry, Ambodiafontsy,… hatrany amin’ny faritra Arivonimamo, Soavinandriana, Tsiroanomandidy sy Ankavandra azaNanomboka teo amin’ny andron’Andrianony dia lasa Renifiangonan’ ny FFMA ny tetoAmbohitantely. Toy ny foiben-toerana mihitsy aza Koa rehefa misy kristiana avy any amin’ireny zana-piangonana ireny, mandalo na monina eto Antananarivo, dia tonga mivavaka ao Ambohitantely. Marina fa ny tena anton-draharahan’Andrianony dia ny fitandremana ny Fiangonana Ambohitantely, fa tsy andraikiny velively ny fiahiana ny zana-piangonana izay samy nanana ny Mpitandriny avy, ary ny fiahiana ny Misiona FFMA izay anjaran’ny misionera, fa na izany aza, amin’ny maha Mpitandrin’ny Renifiangonana Frenjy azy, dia nitambesaran’adidy betsaka izy.
Somary nampananosarotra ny fiantombohan’ny asan’ny Frenjy na ny FFMA tato amin’ny Fiangonana Ambohitantely sy ny zana-piangonany tany ambanivohitra, izay efa somary zatra kely ny fomba fiasa sy fitaizam-panahy LMS. Ary na dia Andrianony ihany koa aza dia tena sahirana tamin’ny fandrindrana ny fiaraha-miasa. TSY dia avy amin’ny Malagasy loatra na amin’ny maha Misiona vahiny ny FFMA no tena fototry ny fahasarotana, fa teo amin’ny lafiny teölöjia mihitsy. Misy fahasamihafana be ny egleziolojia kongregasionalista nampiasain’ny LMS sy ny fiainam-panahy Frenjy, betsaka azy ny teboka maro nifanohitra. Araka ny efa voalaza dia fikambanana mpanao asa soa fa tsy mpanorina fiangonana ny Frenjy ; na dia mitory ny Filazantsara aza izy dia samy hafa amin’ny fomba fiasan’ny LMS. Ny antony niantsoan’ny LMS azy rahateo, tsy teo amin’ny lafiny fitoriana ny Filazantsara na fitaizam-piangonana, fa fanabeazana sy fampianarana ary asa soa izay tena nahafantarana azy manerana izao tontolo izao. Araka izany, dia tsy zava-dehibe tamin’ny Frenjy izay nataon’ny LMS ho zava-dehibe aza, toy ny rafi-pandaminana anatin’ny Fiangonana, ny fampianarana teölöjia, ny fotodrafitrasa miezinezina, ny fanomezan-toerana ny famantarana hita maso tahaka ny rano amin’ny Batisa, ny mofo sy ny kapoaka amin’ny Eokaristia…. Na ny anjara toeran’ny Baiboly amin’ny maha boky azy aza dia tsy nitovian’ny Frenjy velively tamin’ny LMS. Hoy ny Frenjy tany Angletera hoe « Soratra Masina ny Baiboly fa tsy Tenin’Andriamanitra; araka izany, dia mirakitra ny Tenin’Andriamanitra ihany izy fa tsy Tenin’Andriamanitra tsy akory. Ny Fanahy Masina mitondra fahazavana ao anatin’ny mino no mahatonga ny Soratra Masina hiteny aminy ka hanjarian’izany ho Tenin’Andriamanitra Io fanomezan-toerana ny Fanahy ho Mpitarika sy Mpanazava io no nahatonga ny Frenjy tsy hanao ho zava-dehibe ny zavatra hita maso. “Quaquers” (Mpangovitra) izay anarana eson-teny, no niantsoan’ny Olona ny Frenjy tany Eorôpa tany am-piandohana, noho izy mihevitra fa ny Fanahy Masina izay midina ao anatin’ ny mino dia miteraka hovitrovitra na fangovitana tsy eo amin’ ny ara-panahiny ihany fa hatrany amin’ny vatany. Fiarahamonina mandàla ny firahalahiana sy ny fiombonana amam-pizarana ny Frenjy ary nanana marika manokana nahafantarana azy aza izy teo amin’ny fomba fitafy, toy ny satroka kely fotsy, na sarondoha kely toy ny haingo nanaovan’ny vehivavy. Ny fahamasinana, ny fanetrentena, ny fahanginana izany dia fiainam-panahin’ny Frenjy.
Fahagagana teo amin’ny tantaran’ny Frenjy maneran-tany no niseho teto.
Madagasikara na ny marimarina kokoa tato Ambohitantely sy ny zana-piangonany. Teto ihany no tonga Fiangonana sy mpitondra fiangonana ny FFMA ary aty aoriana dia teto Madagasikara irery ihany no nanaiky hikambana amin’ny hafa, dia ny LMS sy MPF izy, ka hanome ny FJKM. Rehefa niova sata ny FFMA teto Madagasikara ka tonga fikambanana mpandefa misionera na mpaniraka mpitory ny Filazantsara, dia saika nanaraka ny rafi-pandaminan’ny LMS izy. Nampiasa ny rafitra kongregasionalista, nanangana ny Kolejiny, nanana ny litorjiany sy ny fombam-piangonana azy manokana ary nanana ny fitsipika anatiny izay samy zava-baovao taminy ny Frenjy.
Izany fahasamihafana izany no niainan’ny Fiangonana Ambohitantely, avy any amin’ny toe-tsaina sy toe-po ary toe-panahy LMS no nifindra handray ny soatoavina ‘Frenjy. Kinanjo tsy Ambohitantely sy ny zana-piangonany ihany no nianatra tamin’ny Frenjy, fa ny Misiona Frenjy ihany koa dia nianatra zavatra betsaka tamin’izy ireo ka nahatonga ny fiovan’ny fomba fiasa hifanaraka amin’ny toetrandro. Ho an’Andrianony manokana izay novolavolain’ ny Misiona LMS hatrany amin’ny Kölejy, na ny fomba fitoriteny, na ny fomba fitondra fiangonana, sy ho an’ny Fitandremana Ambohitantely manokana ihany koa izay efa zatra izany, dia nisy fandam inana tsotra natao nifanarahana tamin’ ny FFMA. Miandalana sy ifampierana ny fanovana ary ao anatin’ ny fifandeferana no ampiarahana, fa tsy avela hifanohitra na hampifanohitra, ny soatoavina LMS izay nahazatra tany aloha sy ny soatoavina Frenjy vao hidirana. Ary teo no nahitana ny fahendren’Andrianony sy ny faharanitan-tsainy fa tsy niteraka Olana kely akory aza ny fiampitana nankany amin’ny Frenjy. Sarotra saingy tsy nampifanolana fa vao mainka aza zary fanamby nitaiza ny fiangonana ny hoe « tsy ny fahasamihafana no zava-dehibe fa ny fanetren-tena hanaiky ny hafa, ary tsy ny hita maso no zava-dehibe fa ny fiainampanahy ».
Noho ny fiovana tao amin’ny Fiangonana, taty amin’ny fiandohan’ny taonjato faha 20 dia nesorina tamin’ny Frenjy tsy ho Renifiangonana intsony Ambohitantely fa ireo zana-piangonany kosa dia mbola Frenjy ihany. Nafindra ho isan’ny MPF izy, ary very ny naha Renifiangonana azy fa nanjary Fiangonan-dehibe kosa izy. Indreto misy soatoavina frenjy tamin’ny andron’Andrianony mbola hita ao Ambohitantely mandraka ankehitriny. Ny voalohany dia ny fanajana ny fahanginana ; sarotiny amin’ny fahanginana ao an-tranon’Andriamanitra ny Frenjy, satria eo izy no mihaino ny bitsiky ny Fanahy ao anaty na mampakatra mangina ny vavaka amin’ny Tompo. Ny faharoadia ny tsy fanaovana ho zava-dehibe ny hita maso mialoha ny finoana, ka tsy ny endrikaivelany no fototra fa ny asan’ny Fanahy. lty antony ity no nahatonga ny Frenjy tsy mbananisy tilikambo ny trano fiangonana satria tsy ny marika hita maso no zava-dehibe. Taty aoriana ela tamin’ny andron-dRavelojaona vao nasiana tilikambo ny Fiangonana ary na ny hazofijaliana lehibe aza dia tamin’ny andron’Andriamanjato no napetraka. Fahatelo, ny fiombonana sy ny fifankatiavana dia soatoavina frenjy hatramin’flY taonjato faha 17 ka nampitaina tamin’ ny Fiangonana niasany tahaka an’ Arnbohitantely. Ny fahefatra dia ny toe-po sy toe-tsaina tia mizara sy manao asa soa izay zary mbola fiainan’ny Fiangonana mandraka ankehitriny.
I Sewell no nitondra ny poezia miady rima teto Madagasikara. Ny poezia malagasy mantsy dia tsy miady rima fa mandeha araka ny ngadona, fa rehefa tonga teto kosa ny fampianaran’ny Frenjy izay nitondra ny literatiora tandrefana dia nampiditra ny poezia miady rima izy, ary isan’ireo voalohany nanovo izany fahaiza-manao poezia miady rima izany ny Fiangonana Ambohitantely. Mandraka ankehitriny dia betsaka ireo manan-talenta sy ngezalahin’ny poezia miady rima ao amin’ny Fiangonana.
NALAINA TAMIN’NY BOKY « ILO SY TANTELY »
FJKM AMBOHITANTELY