Mpitarika voalohany ny Fiangonana Ambohitantely

Andriamahery sy Rainitrena no mpirahalahy mianala niombona fiantsoana ka nitandrina ny Fiangonana Ambohitantely voalohany indrindra hatrany amin’ny andron’ny fanenjehana aza. Tao anatin’ny vanimpotoanan’ny fanenjehana no nandraisan’izy roalahy ireto ny Fialzantsara ka azo nosokajiana ho isan’ireo maritiora andiany faharoa na fahatelo izy ; izany hoe tsy nifanerasera akaiky tamin’ny misionera fa ireo andiany faharoa tamin’ireo maritiora no azo heverina ho nitory ny Filazantsara tamin’izy ireo. Azo inoana ho iray tarika tamin-dry Andriambelo tao Amparibe na Rainitrimo tao Avaratr’Andohalo, na koa notezain-dry Ramaroanaka mbamin-dry Andriambahiny ara-panahy izy roalahy. Ny fanenjehana no Sekoly nanofana azy ara-panahy, ary ny fanenjehana ihany koa no nanovozany ny teôlojia. Azo antoka fa ankoatra ny fisakaizana izay efa mety nisy teo amin’izy roalahy dia ny Filazantsara izay noraisiny ary ny fanenjehana niarahana nitondra no nanamafy ny fifankatiavany. Teo Ambohijatovo- Ambatonakanga no tena fonenan’i Rainitrena ary tao Antsahabe kosa ny fonenan’Andriamahery.

NY FITAIZAM-PANAHY NATAON’I ANDRIAMAHERY SY RAINITRENA

Zava-dehibe telo no nanamarika ny fitaizam-panahy tamin’ny andron’izy roalahy :

Voalohany indrindra dia ny maha zava-panahy ny Fiangonana. Nasongadin’ny fanabeazana nataon’izy roalahy fa tsy sakaizan’izao tontolo izao ary tsy miorina eto amin’izao tontolo izao  tsy akory ny Fiangonana, satria raha an’izao tontolo izao dia ho tian’izao tontolo izao. Fa satria tsy azy, dia enjehiny. Izany toe-tsaina tsy mitankosina na manantena na inona na inona amin’izao tontolo izao izany dia herim-panahy nampitain’izy roalahy tamin’ny Fiangonana Ambohitantely.

Ny faharoa dia ny Finoana. Ny finoana tiana ho resahina eto dia ilay finoana an’Andriamanitra manjary asa sy tonga fikirizana, manjary fanantenana sy fitiavana amin’ny fiainana isan’andro. Raha tsorina dia finoana iainana izay nolovaina hatrany amin’ny fiainam-panahin’ny maritiora no nampitain’izy roalahy.

Ary ny fahatelo izay tsy azo hadinoina indrindra dia ny fahaizana manararaotra ny fotoana sy ny toe-javatra mitranga hahafahana mijoro vavolombelona. Raha lazaina tsotra dia fahasahiana ; fahasahiana no nahatonga ny Fiangonana Ambohitantely hijoro tao anaty fanenjehana ; fahasahiana ihany ny fifindran-toerana tao anatin’ny tambohon’ny tanànan’Antananarivo teny amin’ny faritra ambony ; fahasahiana indrindra ihany koa ny fiaraha-miasa tamin’ny Frenjy izay tsy niomana velively ny ho tonga misiona mpitondra Fiangonana, izay hany tranga tsongaina nisy teto amin’ny tantaran’ny Frenjy manerana izao tontolo izao.

NALAINA TAMIN’NY BOKY “ILO SY TANTELY”
FJKM AMBOHITANTELY