LOHARANO NIPOIRAN’I ANDRIAMAHERY
Zanak’Andriankoto Rainimboamahamanina sy Razakavololonandriana i Andriamahery. Tao Antsahabe izy no teraka, manodidina ny taona 1820 tany ho any. Izany hoe zandrin-dRainitrena izy raha ny taona no jerena. Rasoatahiana no anaran’ny vadiny. Ny lovantsofina eo anivon’ny fianakaviana dia mitantara fa nianatra asa tanana sy taozavatra tamin’ny James Cameron izy. James Cameron izay misionera laika, nirahin’ny LMS niasa teto Madagasikara nanomboka ny taona 1826 ary tsy niala teto raha tsy ny taona 1835, fotoana nipoahan’ny fanenjehana. Teo anelanelan’io vanim-potoana io no nanofanany tanora vitsivitsy teo Analakely, izay nisy trano fanaovany taozavatra, ary isan’izany Andriamahery. Andriamahery dia niamboho ny taona 1906 ary milevina ao Antsahabe.
NALAINA TAMIN’NY BOKY “ILO SY TANTELY”
FJKM AMBOHITANTELY