SAMPAN'ASA FITORIANA NY FILAZANTSARA

Misaotra an’Andriamanitra nahavita soa aman-tsara ny fiofanana voalohany taorian’ny fihibohana tao amin’ny Akany ARM.
Namantatra ny foto-dalana sy fitsipika mamaritra ny asa.
” Baiko nomen’i Jesoa Kristy ny fiangonana hatrany am-boalohany ny fitoriana ny filazantsarany amin’ny olona rehetra. Ny kristiana tsirairay, ny sampana, sampanasa rehetra ao amin’ny fiangonana manontolo no mpitory ny filazantsara”. Fitsipika, and 1
Narahana fampiharana mivantana ny fiofanana. Mitaona ny Sampana ato @ fiangonana hanao zava-dehibe ny Iraka lehibe napanaovin’i Jesoa Krsity ny mpianatra. ” …koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra…” Matio 28: 19a
Inona no atao? Mandray ofana tsara dia roso isika, tafian’ny Fanahy Masina ny hery ho enti-miasa 🙏