« Raha fatra-paniry ny zava-panahy, dia izay hampandroso ny Fiangonana no tadiavo indrindra. » (Kor. 14 : 12)
Faly miarahaba antsika amin’ny alalan’ity tranokalam-pifandraisan’ny FJKM Ambohitantely ity. Tranokalam-piangonana izy ity, noho izany dia fitaovana iray eo am-pelantanan’ny Fiangonana hoenti-mampita ny vaovao mahafaly amintsika mianakavy. Amin’ny ankapobeny dia telo ny andraikitry ny Fiangonana. Voalohany, andraikitry ny mpaminany ka itoriany an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy ary anambarany ny sitrapon’Andriamanitra amin’izao tontolo izao. Faharoa, andraikitry amin’ny maha fanjakampisorona, izany hoe mitrotro am-bavaka izao tontolo izao sy ny fiarahamonina ny Fiangonana. Fahatelo, andraikitra ara-tsosialy izay tsy inona fa ny fampianarana, fampiombonana, fitaizana. Tsy mivaona amin’izany andraikitra izany ny antom-pisian’izao tranokala izao fa natao indrindra hanatanterahana izany adidy masina niantsoana ny Fiangonana izany. Koa ho hitanao ato anatin’ny tranokalam-pifandraisana na ny vaovaom-piangonana, na ny fitaizana ny fianakaviana sy ny fiarahamonina, na ny fifampizarana iaraha-mitombo, fa indrindra indrindra ny Toriteny sy ny fampianarana.
Koa arahabaina manokatra izao tranokala izao, ary misaotra anao liana amin’ny votoatiny. Irinay ny hanovozanao ny mamy toy ny tohotantely ato anatin’ny tranokala. Dia finareta soa ary mitomboa amin’ny finoana ho vavolombelon’ny Tompo.
Mirary soa indrindra.