Fiandraiketana vaovao ity Fiandraiketana ity. Nahatsapa mantsy ny Fiangonana fa isan’ny fijoroana ho vavolombelona tahafina amin’i Jesoa ny asa soa. Fony tety amin’izao tontolo izao i Jesoa, dia namahana ny noana, nitsabo ny marary, nampahery ireo sahirana, eny, nanao zava-dehibe koa aza ny fitsimbinana ireo voailika tao amin’ny fiarahamonina, toy ny sembana, ny mpitondratena. Raha ny Soratra Masin’ny Testamenta Taloha manokana àry no jerena dia tsy nisaraka mihitsy ny asa soa na ny sösialy sy ny fiainam-panahy. Maridrefy ahafantarana ny fitiavana an’Andriamanitra ny asa soa. Natsangana àry ity Fiandraiketana ity hibanjinana izany toe-tsain’ny Filazantsara izany ary zary teny faneva ny hoe “Aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa” (Gal.6:9) sy ny hoe “Hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa” (Efe.5:16).

Ny kantina

Nandritra ny taona maro dia efa nisy ny kantina teto Ambohitantely izay nosahanin’ny Sampana Dorkasy. Saingy tato anatin’ny taona vitsivitsy, dia nihevitra ny Fiangonana fa tsara ny hanitarana izany asa izany, satria mavesatra amin’ny Dorkasy ny hiatrika izany Samirery, koa mety raha hatao ho asan’ny Fiangonana mihitsy izany. Ny asa voalohany nankinina tamin’ity Fiandraiketana ity dia ny fandraisana an-tànana izany kantina izany, ny hanjarian’izany ho asan’ny Fiangonana, izany hoe, asa soa. Ny kantina dia asa iray eo anivon’ ny Fiandraiketana ny Sôsialy izay ampisakafoanana ireo mpianatra lavi-podiana avy amin’ny Sekoly manodidina ny Fiangonana Ambohitantely amin’ny vidiny takatr’izy ireo. Ny Fiangonana no mameno ny banga amin’ izany. Manodidina ny 80, indraindray aza mahatratra 100, ny isan’ny mpianatra misakafo eto Ambohitantely isanandro, ankoatra ny fialan-tsasatry ny mpianatra. Tsy fampisakafoanana fe fampisakafoanana ihany tsy akory ny kantina fa fitaizana sy fanabeazana ara-panahy ny mpianatra indrindra, ary ity faharoa ity aza no tena mahaliana ny ankamaroan’ny Ray aman-dreny, satria miaro ny ankizy tsy hanjenjena eo anelanelan’ny fotoana maraina sy ny folakandro. Ny Diakona ao anatin’ny Fiandraiketana ny Sôsialy no mikarakara manontolo, manomboka amin’ny fiantsenana ka hatramin’ny fampisakafoanana ara-bakiteny.

Ny fikarakarana ny lolohan’ny Fiangonana

. Ampolony maro ireo mahantra sy sahirana karakarain’ny Fiangonana Ambohitantely; misy aza ny manjenjena tsy manan-kialofana fa matory eny amin’ny arabe. Ireo no atao hoe lolohan’ny Fiangonana. Nasiana fampianaram-pinoana sy fiaraha-mivavaka ho an’ny Fiangonana ny Zoma hariva ary ao anatin’izany koa no itaizana ara-panahy ireo lolohan’ny Fiangonana. Ny Fiandraiketana ny Ara-panahy sy ny Fiandraiketana ny Sösialy no mifandrimbona amin’ny fitoriana ny Filazantsara sy ny fitaizana ireto lolohan’ny Fiangonana ireto, ka dia tsy ny fanampiana hita maso ihany no zava-dehibe fa eo koa ny fitoriana ny Filazantsaran’i Kristy. Mikarakara ireo lolohan’ny Fiangonana ireo amin’izay mety hilaina ka tratry ny herin’ny Fiangonana, ny Fiandraiketana ny Sösialy toy ny fizaràna vary, menaka, savony fitafiana, fitaovampianarana ary indrindra ny fitsaboana azy raha marary izy, eny, hatramin’ny fampidirana azy eny amin’ny höpitaly aza. Tato ho ato, dia nisy ny hetsika manokana nokarakarain’ny Fiandraiketana ny Ara-panahy sy ny Sösialy ary ny Zanaparitra Karmela (ety amin’ny faritra ambony) nanao ny tetikasa Filipo, izany hoe, tetikasa fitoriana ny Filazantsara sy fitaizana handray an’i Kristy avy amin’ny tenin’i Filipo hoe “Andeha hizaha” (Jao. I :46). Ity tetikasa ity dia lavitrezaka fa sady fitoriana ny Filazantsara no iezahana hamoronana asa sy fanampiana ireo sahirana ety amin’ny faritra ambony.

Ny kitapom-bola famatsiana ireo tra-pahasahiranana

Ao anatin’ny tetibolan’ny Fiangonana dia misy sorabola manokana natokana hitsimbinana ireo zanaky ny Fiangonana tra-pahasahiranana tampoka. Natao hindramina na haverina amin’ny ampahany na tsy voatery haverina koa aza ity kitapom-bola ity. Ny Fiandraiketana ny Sôsialy no misahana ny fitantanana azy ary mihazona ny tsiambaratelon’ny fanampiana miaraka amin’ny Mpitandrina. Ity asa fahatelo ity dia kasaina hitarina mankany amin’ny fampindramam-bola madinika izay efa natomboka taona vitsivitsy lasa izay ka nanampiana fianakaviana vitsivitsy tamin’ny fampindramam-bola averina lavitr’ezaka. Tao ny nampiana tamin’ny varotra enta-madinika, tao ny varotra legioma, tao ny taxi-phone.

Raha fintinina dia lafiny telo no niorenan’ny asan’ny Fiandraiketana ny Sôsialy:

  • voalohany dia ny fizaràna,
  • faharoa dia ny fitaizana,
  • fahatelo dia ny fitoriana ny Filazantsara.

Amin’ny sehatrasa rehetra ataon’ny Fiandraiketana ny Sôsialy dia tsy misaraka ireo lafin-javatra telo lehibe ireo, na teo amin’ny kantina, na teo amin’ny lolohan’ny Fiangonana sy ny tetikasa Filipo, indrindra ny kitapom-bola sy ny tra-pahasahiranana.

Notontosaina ny zoma 30 Oktobra 2020 lasa teo ny fizarana fitaovam-pianarana ho
an’ireo ankizy lolohan’ny Fiangonana, izay natolotry ny Fiangonana tamin’ny alalan’
ny Fiandraiketana ny Asa Sosialy

Comments are closed, but trackbacks and pingbacks are open.