Ry Mpianakavin’ny Finoana,
Hiara-hankalàza sy hisaotra an’Andriamanitra isika noho ny Famaranana ny Jobily Volafotsy maha-Mpitandrina an’Andriamatoa RAKOTONAVALONA Maholy mivady. 🙏
Toa izao ny fandaharam-potoana eto amin’ny Fitandremana Ambohitantely :
▶️Ny Sabotsy 18 Martsa 2023 manomboka amin’ny 09ora sy sasany
Fanompoam-pivavahana tarihin’ny Foibe FJKM sy ny Synodamparitany Antananarivo Atsinanana.
Mitarika ny fotoana : Ny Prezidà Synodaly ALIOLIHARIMANARIVO Saotra Samoela, Mpitandrina.
Mitoriteny : Ny Filohan’ny FJKM, Dr Irako Ammi ANDRIAMAHAZOSOA, Mpitandrina.
▶️Ny Alahady 19 Martsa 2023 manomboka amin’ny 08ora sy sasany
« ALAHADIN’NY MPITANDRINA » : Fanompoam-pivavahana hanasàna antsika Fiangonana, ny Zanaka am-pielezana ary ny Taranaka manontolo ho fanotronana sy fanohanana ny Mpitandrina mianakavy.
Hofaranana amin’ny Fandraisana ny fanasan’ny Tompo ny fotoana.
 
📣📣Koa manentana antsika rehetra ho tonga amin’ireo fotoana roa ireo hisaotra sy hanome voninahitra an’Andriamanitra noho izany fahasoavan-dehibe izany.
« Miaraha mankalaza an’I Jehovah amiko, ary aoka hiara-manandratra ny anarany isika » Salamo 34:3

FAHA 20 TAONA NIARAHA-NANOMPO

Fotoam-pivavahana

NY VAOVAONTSIKA

ny fiangonana

MPIANDRAIKITRA FOIBE

Isaorana ny Tompo fa tontosa soamantsara ny talata 22 jona 2021 teo ny fanolorana Moto iray, ho an’ny Synodam-paritany Bemaraha, mba hampiasain’ny Presida Synodaly any an-toerana. Izany dia notanterahina nandritra ny fivorian’ny Mpiandraikitra Foibe natao teto amin’ny F.J.K.M. AMBOHITANTELY, izay notarihan’ny Filohan’ny FJKM Atoa Irako Andriamahazosoa Ammi Mpitandrina. Isaorana manokana ireto Fiangonana telo ireto izay nifarimbona tamin’ny ho enti-manana tamin’izany dia ny FJKM AMBOHITANTELY, FJKM SOAMANANDRARINY ary ny FJKM FENOARIVO ATSINANANA . Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra

katekomena andia iraka

Isaorana Andriamanitra fa tontosa soa aman-tsara teny Ambohimanga ny fisindan’ny KATEKOMENA IRAKA sy ireo mpiahy ny 6 mars 2021 lasa teo.
Isaorana ny Mpitandrina Rakotonavalona nampiofana.
Mankasitraka ny fianakaviana Rajaobelina nampiantrano.
Misaotra ireo niara-nifarimbona t@ Fiandraiketana ny Ara-Panahy rehetra.
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitr’Andriamanitra.

fambolen-kazo 2021

ALAHADIN'NY MPITANDRINA

ny FIANDRAIKETANA

Toy ny fanaon’ny Fiangonantsika Ambohitantely isan-taona rehefa fetim-pirenena 26 jona toy izao dia mizara fanomezana ho an’ireo lolohan’ny Fiangonana zoma hariva isika. Isaorana ny Tompo fa tontosa androany alakamisy 24 jona izany t@ alalan’ny Fiandraiketana ny Asa Sosialy, ary ny raiamandreny Mpitandrina no nitarika ny fotoam-bavaka. Olona teo amin’ny 100 isa no nisitraka ny fanomezana toy ny vary, savony, pâtes, biscuits, bonbons, ary niampy arendrina sy labozia ho an’ny ankizy madinika. Isaorana antsika mpanohana ny asa sosialy rehetra ary misaotra ny Fiangonana manontolo tarihin’ny raiamandreny Mpitandrina mivady manao ho zava-dehibe ny asa soa .Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.

ny sampana

ALAHADIN'NY TEHINA MANGA 2021

FANOKAFANA FAHA 40 TAONA CHORALE MAINTIMOLALY AMBOHITANTELY